Ny Jenezy

Toko faha-13

1 Ary niakatra avy any Ejipta nihazo tany atsimo Abrama, dia izy sy ny vadiny, mbamin'ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy.

2 Nanana harena be tokoa Abrama, dia biby fiompy sy volafotsy ary volamena. 3 Dia nandeha izy ka nifindrafindra lasy avy any atsimo ka hatreo Betela amin'ilay niorenany lay tamin'ny voalohany, anelanelan'i Betela sy Hay; 4 dia tao amin'ilay tany nisy ny otely natsangany taloha. Ary teo Abrama niantso ny anaran'ny Tompo. 5 Lota izay niara-dia tamin'i Abrama, dia mba nanana omby aman'ondry sy lay koa;

6 ka tsy ampy hiarahan'izy roa lahy monina intsony ny faritany, fa efa be dia be ny fananany, ka tsy nahazo niara-nitoetra intsony izy. 7 Nifanditra ny mpiandry ondrin'i Abrama sy ny mpiandry ondrin'i Lota. Ny Kananeana sy ny Ferezeana no nitoetra tamin'ny tany tamin'izay. 8 Dia hoy Abrama tamin'i Lota: Aoka re tsy hifanditra izaho sy hianao, na ny mpiandry ondriko sy ny mpiandry ondrinao, fa mpirahalahy isika. 9 Tsy eo anoloanao ve ny tany rehetra? Ka aoka hisaraka amiko hianao. Raha mankany amin'ny havia hianao dia ny havanana kosa no halehako; ary raha mankany amin'ny havanana hianao dia ny havia no halehako. 10 Dia nanopy ny masony Lota ka nahita ny tany lemak'i Jordany rehetra, izay azon-drano hatrany hatrany; io tany io, talohan'ny nandravan'ny Tompo an'i Sodoma sy Gomora, dia tahaka ny sahan'ny Tompo, tahaka ny tany Ejipta akaikin'i Tsoara. 11 Ka dia ny tany lemak'i Jordany no nofidin'i Lota ho azy; ka nifindra niantsinanana izy; toy izany no nisarahan'izy roa lahy. 12 Abrama nonina tamin'i Kanaana, ary Lota kosa nonina tao afovoan'ireo tanàna eo amin'ny tany lemaka sy nanorina ny lainy hatrany Sodoma. 13 Ary ny mponina tany Sodoma dia olon-dratsy sy mpanota indrindra tamin'ny Tompo. 14 Ary hoy Iaveh tamin'i Abrama taorian'ny nisarahan'i Lota taminy: Atopazy ny masonao ary eto amin'ity fitoerana misy anao ity dia mijere mianavaratra sy mianatsimo, ary miankandrefana sy miantsinanana;

15 fa homeko anao sy ny taranakao mandrakizay izao tany rehetra tazanao izao. 16 Hataoko toy ny vovo-tany ny taranakao, ka raha azo isaina ny vovo-tany dia ho azo isaina koa ny taranakao. 17 Koa mitsangàna hianao, tetezo an-davany sy an-tsakany ny tany, fa homeko anao izy. 18 Dia nifindra toby Abrama ka nandeha nonina teo amin'ny terebintan'i Mambre, izay any Hebròna, ary teo izy nanangana otely ho an'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0819