Ny Jenezy

Toko faha-14

1 Tamin'ny andron'i Amrafela, mpanjakan'i Senaara, sy Ariòka, mpanjakan'i Elasara, sy Kodorlahomora, mpanjakan'i Elama, ary Tadala, mpanjakan'i Goima,

2 dia sendra rafitra ady izy ireo tamin'i Barà, mpanjakan'i Sodoma sy Bersà, mpanjakan'i Gomora, sy Senaaba, mpanjakan'i Adamà, sy Seneber, mpanjakan'i Seboima, ary ny mpanjakan'i Balà, dia Segora izany. 3 Nivory tao an-dohasahan'i Sidima, dia ny ranomasin-tSira izany, ireto an-daniny farany ireto; 4 fa efa nanoa an'i Kodorlahomora roa ambin'ny folo taona izy ireo, no vao niodina taminy nony tamin'ny taona fahatelo ambin'ny folo. 5 Nony tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo anefa, niainga Kodorlahomora sy ireo mpanjaka nomba azy, ka nasiany avokoa ny Refaima tao Astarota-Karmaima, ny Zosima tao Hama, ny Emima teo amin'ny tany lemak'i Kariataima;

6 ary ny Horeana teo an-tendrombohitra Seira fonenany, hatrany El-Faràna, izay ao akaikin'ny efitra. 7 Rahefa izany dia lasa nody izy ireo, ka tonga teo am-pantsakan'i Fitsarana, dia Kadesa izany, ka namely ny tanin'ny Amalesita rehetra mbamin'ny Amoreana izay nonina tany Asason-Tamara. 8 Tamin'izay no nivoahan'ny mpanjakan'i Seboima, ary ny mpanjakan'i Balà, dia Segora izany, nilahatra tao an-dohasahan'i Sidima hiady tamin'ireo, 9 dia tamin'i Kodorlahomora, mpanjakan'i Elama, Tadala, mpanjakan'i Goima, Amrafela, mpanjakan'i Senaara, ary Ariòka, mpajakan'i Elasara; efatra noho dimy ireo mpanjaka ireo. 10 Be lavaka ditin-tany tao an-dohasahan'i Sidima, ary nandositra ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora ka latsaka tamin'ireny, ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra. 11 Nofaohin-dry zareo avokoa ny fananana rehetra tao Sodoma sy Gomora, mbamin'ny hanina rehetra tao, dia nandeha izy. 12 Lota zana-drahalahin'i Abrama dia nobaboin'izy ireo hatramin'ny fananany rehetra koa, vao nandeha izy. Fa nonina tao Sodoma Lota. 13 Dia tonga ny anankiray tamin'ireo mpandositra nilaza izany tamin'i Abrama, Hebrio, izay nonina tao amin'ireo terebintan'i Mambre, dia ilay Amoreana rahalahin'i Eskola sy Anera, fa olona vita fanekem-pihavanana tamin'i Abrama ireo.

14 Vao ren'i Abrama fa hoe lasan-ko babo ny rahalahiny, dia nomaniny ny ankohonany mahatoky indrindra amin'ny ady, izay teraka tao an-tranony, valo ambin'ny folo sy telon-jato, ka nenjehiny hatrany Dana ireo mpanjaka ireo. 15 Natokotokony ny olona nentiny mba hanao sovok'alina izy sy ireto mpanompony, ka nandresy sy nanenjika an-dry zareo hatrany Hoba, ao an-kavian'i Damasy. 16 Nentiny nody daholo ny fananana; azony koa Lota rahalahiny, mbamin'ny fananany, sy ny vehivavy ary ny olona rehetra. 17 Nony efa nandresy an'i Kodorlahomora sy ireo mpanjaka nomba azy Abrama, ka nody, dia nivoaka ny mpanjakan'i Sodoma, hitsena azy tao an-dohasahan'i Save, dia ny lohasahan'ny mpanjaka izany.

18 Melkisedeka mpanjakan'i Salema dia nitondra mofo sy divay: mpisoron'Andriamanitra avo indrindra izy. 19 Dia nitsodrano an'i Abrama izy nanao hoe: Hanisy soa an'i Abrama anie Andriamanitra avo indrindra izay nahary ny lanitra sy ny tany. 20 Ary isaorana anie Andriamanitra avo indrindra izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tànanao. Ary Abrama kosa dia nanome azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra. 21 Dia hoy ny mpanjakan'i Sodoma tamin'i Abrama: Omeo ahy ny olona fa ny fananana no ento ho anao.

22 Fa hoy Abrama tamin'ny mpanjakan'i Sodoma: Izaho efa nanangan-tànana tamin'ny Tompo Andriamanitra avo indrindra, izay nahary ny lanitra sy ny tany, 23 fa tsy haka amin'izay rehetra mety ho anao, hatramin'ny singan-taretra ka hatramin'ny hoditra fehin-kapa, mba tsy hilazanao hoe: Izaho no nampanan-karena an'i Abrama. 24 Tsy hitana na inona na inona ho ahy aho, afa-tsy izay nohanin'ny zatovo, sy ny anjaran'ny olona momba ahy dia Anera sy Eskola ary Mambre; ireo dia haka ny anjarany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1157