Ny Jenezy
Toko faha-15
1 Taorian'izany, tonga tamin'i Abrama tamin'ny fahitana ny tenin'ny Tompo nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama, fa izaho no ampinganao ary ho lehibe indrindra ny valisoanao.2 Fa hoy ny navalin'i Abrama: Iaveh Tompo ô, inona no homenao ahy? Fa izaho dia lasa tsy hiteraka ka ny mpandova ny tranoko dia Eliezera avy any Damasa. 3 Ary hoy Abrama: Tsy nomenao fara handimby aho, ka dia lehilahy mipetraka amin'ny fianakaviako no ho mpandova ahy. 4 Tamin'izay dia tonga taminy ny tenin'ny Tompo nanao hoe: Tsy izy io no mpandova anao, fa ilay haloaky ny kibonao no ho mpandova anao. 5 Dia nentiny nivoaka izy ka nilazany hoe: Atopazo hijery ny lanitra ny masonao ka isao ny kintana raha mahisa azy hianao, ary hoy izy taminy: Ho tahaka izay ny taranakao. 6 Ary nino an'ny Tompo Abrama, ka neken'ny Tompo ho fahamarinany izany. 7 Ary hoy izy taminy: Izaho no Iaveh nitondra anao nivoaka avy any Ora amin'ny Kaldeana, mba hanomezako anao ity tany ity hanananao azy.
8 Hoy ny navalin'i Abrama: Iaveh Tompo ô, inona no hahafantarako fa hanana izany aho? 9 Dia hoy Iaveh taminy: Mandehana maka ombivavy kely efa telo taona iray, osivavy efa telo taona iray, ondrilahy efa telo taona iray, domohina iray, ary vanto-boromailala iray. 10 Dia nentin'i Abrama nankeo aminy ireo biby rehetra ireo, ka nosasahiny roa mitovy avy izy ireo dia nampifanandrifiny avy ny vakiny; fa ny vorona tsy mba nosasahiny. 11 Niantoraka hifaoka ny fatin'ireo ny vorona mpihaza, fa noroahin'i Abrama. 12 Raha ilay nilentika iny ny masoandro dia rendriky ny torimaso mafy Abrama, ary indro notsindrian'ny tahotra mafy sy ny aizim-pito izy.
17 Nony maty ny masoandro, ka efa maizina ny andro, dia indro nisy memy mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra namakivaky iretsy biby voasasaka. 18 Tamin'izany andro izany nanao fanekena tamin'i Abrama Iaveh nanao hoe: Omeko ny taranakao ity tany ity hatrany amin'ny onin'i Ejipta ka hatrany amin'ny ony lehibe, dia i Eofrata izany;