Ny Jenezy

Toko faha-15

1 Taorian'izany, tonga tamin'i Abrama tamin'ny fahitana ny tenin'ny Tompo nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama, fa izaho no ampinganao ary ho lehibe indrindra ny valisoanao.

2 Fa hoy ny navalin'i Abrama: Iaveh Tompo รด, inona no homenao ahy? Fa izaho dia lasa tsy hiteraka ka ny mpandova ny tranoko dia Eliezera avy any Damasa. 3 Ary hoy Abrama: Tsy nomenao fara handimby aho, ka dia lehilahy mipetraka amin'ny fianakaviako no ho mpandova ahy. 4 Tamin'izay dia tonga taminy ny tenin'ny Tompo nanao hoe: Tsy izy io no mpandova anao, fa ilay haloaky ny kibonao no ho mpandova anao. 5 Dia nentiny nivoaka izy ka nilazany hoe: Atopazo hijery ny lanitra ny masonao ka isao ny kintana raha mahisa azy hianao, ary hoy izy taminy: Ho tahaka izay ny taranakao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1158