Ny Jenezy

Toko faha-16

1 Tsy niteraka tamin'i Abrama Saray vadiny; ary nanana mpanompovavy Ejipsiana anankiray atao hoe Agara izy.

2 Hoy Saray tamin'i Abrama: Indro efa nataon'ny Tompo momba aho; ka mangataka anao aho mba handeha amin'ny mpanompovaviko, fa angamba hitera-dahy ho ahy izy. Dia neken'i Abrama ny tenin'i Saray. 3 Efa nonina folo taona tany amin'ny tany Kanaana Abrama tamin'ny nakan'i Saray, vadin'i Abrama, an'i Agara ilay Ejipsiana mpanompovaviny, ka nanomezany azy an'i Abrama vadiny. 4 Nandeha tamin'i Agara izy, dia nanana anaka ravehivavy; ary nony hitany fa nanana anaka izy, dia nataony tsinontsinona ny tompovaviny.

5 Hoy Saray tamin'i Abrama: Mihatra aminao izao faniratsiràna ahy izao. Izaho no nanome ny mpanompovaviko ho andefimandrinao; kanjo nony hitany fa nanana anaka izy dia nataony tsinontsinona aho. Ka Iaveh anie hitsara ahy sy hianao. 6 Hoy ny navalin'i Abrama tamin'i Saray: Eo ambany fahefanao ny mpanompovavinao, ka ataovy arak'izay ataonao ho mety. Dia nampahorian'i Saray Agara ka nandositra tsy ho eo anatrehany. 7 Hitan'ny Anjelin'ny Tompo teo anilan'ny loharano anankiray tany an-efitra izy, dia teo anilan'ilay loharano amin'ny lalana mankany Sora.

8 Hoy izy: Ry Agara, mpanompovavin'i Saray, avy aiza hianao ary ho aiza? Hoy ny navaliny: Mandositra lavitra an'i Saray tompovaviko aho. 9 Fa hoy ny Anjelin'ny Tompo taminy: Miverena any amin'ny tompovavinao, ka manetre tena eo ambanin'ny fahefany. 10 Ary hoy koa ny anjelin'ny Tompo: Hataoko marobe ny taranakao, ka tsy ho azo isaina noho ny hamaroany. 11 Hoy indray koa ny Anjelin'ny Tompo: Indro manana anaka hianao, ka hiteraka zazalahy, ary homenao anarana hoe Ismaely, satria efa nohenoin'ny Tompo ny fahorianao.

12 Ho ampondra haolo io lehilahy io: Ny tànany haingainy hamely ny olona rehetra, ary ny tànan'ny olona rehetra kosa hiainga hamely azy; honina tandrifin'ny rahalahiny rehetra izy. 13 Nataon'i Agara hoe: Atta-El-Roi no anaran'ny Tompo izay niteny taminy, fa hoy izy: Moa dia hitako teto tokoa va ilay Andriamanitra izay nahita ahy? 14 Izany no niantsoan'ny olona io fantsakana io hoe fantsakan'i Lakai-Roi. Ao anelanelan'i Kadesy sy Barada izy io. 15 Dia niteraka zazalahy tamin'i Abrama Agara; ary nomen'i Abrama anarana hoe Ismaely ny zaza naterak'i Agara.

16 Efa enina amby valo-polo taona Abrama tamin'ny niterahan'i Agara an'Ismaely tamin'i Abrama.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1024