Ny Jenezy

Toko faha-18

1 Ary Iaveh niseho taminy, teo amin'ireo terebintan'i Mambre, raha ilay nipetraka teo am-baravaran'ny lainy iny izy, tamin'ilay nigaingaina iny ny andro.

2 Nanopy ny masony ary nijery izy, ka indreto olona telo lahy nijoro nifanandrify aminy. Vao nahita azy izy, dia nihazakazaka avy eo am-baravaran'ny lainy, nitsena azy, ary rahefa niankohoka tamin'ny tany izy, 3 dia nanao hoe: Tompo ô, raha nahita fitia eo imasonao aho, aza dia lalovana fotsiny lahy ny mpanomponao, 4 fa aoka hangalàna rano kely hianareo, hanasana ny tongotrareo. Mialà sasatra eo am-pototr'ity hazo ity hianareo; 5 dia hangalako mofo kely hianareo hataonareo tohan'aina, vao manohy ny dianareo hianareo, fa izany no nandalovanareo amin'ny mpanomponareo. Dia hoy ny navalin'ireo: Ataovy àry, araka izay voalazanao. 6 Dia niverina faingana Abrahama nankeo an-day amin'i Sarà ka nanao hoe:

7 Faingàna hianao, mangalà lafarina intelon'ny famarana, ditio ka ataovy mofo. 8 Avy eo Abrahama dia nandeha faingana ho any amin'ny andian'omby, dia naka zanak'omby anankiray tanora sy tsara izy, ary nomeny ny mpanompony izay nahandro izany faingana; dia nandray mena-dronono sy ronono mbamin'ilay zanak'omby efa nandrahoina izy, ary narosony izany teo anoloan'izy ireo, ary izy kosa nitsangana teo anilany, teo am-poto-kazo. Ary nihinana izy ireo. 9 Rahefa izany dia hoy ireo taminy: Aiza Sarà vadinao? Hoy ny navaliny: Ao an-day ao izy. 10 Ary hoy izy: Hiverina aty aminao indray aho, raha avin-taona toy izao, ary hanana zazalahy Sarà vadinao. Ren'i Sarà teo am-baravaran'ny lay, teo ivohony, izany teny izany. 11 Ary Abrahama sy Sarà dia efa samy antitra, ela andro niainana; ary Sarà dia efa nitsaha-potoana, 12 ka nihomehy anakampo Sarà nanao hoe: Izay izaho efa anti-bavy ity ve dia mbola hahalala izay fifalia-nofo koa? ary ny tompoko koa itsy efa antitra! 13 Hoy Iaveh tamin'i Abrahama: Nahoana Sarà no nihomehy nanao hoe: Izay izaho efa anti-bavy ity ve dia mbola hiteraka indray? 14 Moa misy zava-mahatalanjona tsy efan'ny Tompo va na inona na inona? Raha avin-taona toy izao dia hiverina aty aminao indray aho; ary Sarà dia hahazo zazalahy. 15 Nandà Sarà nanao hoe: Tsy nihomehy aho tsy akory; fa natahotra izy. Tsia fa nihomehy tokoa hianao, hoy izy. 16 Nitsangana handeha ireo lehilahy ireo, dia nitodika nankany Sodoma; Abrahama izany nandeha niaraka taminy koa hanatitra azy.

17 Ary hoy Iaveh: Hafeniko amin'i Abrahama va izay efa hataoko?

18 Abrahama anefa no ho tonga firenena lehibe sy mahery, sady aminy no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin'ny tany. 19 Fa izy no voafidiko handidy ny zanany sy ny fianakaviany any aoriana mba hanaraka ny lalàn'ny Tompo, amin'ny fitandremana ny rariny sy ny hitsiny: ka hanatanterahan'ny Tompo amin'i Abrahama ny soa nampanantenainy azy. 20 Dia hoy Iaveh: Mafy loatra ny fitarainana miakatra avy amin'i Sodoma sy Gomora, ary lehibe indrindra ny fahotan'izy ireo. 21 Koa hidina aho ary hizaha raha efa feno tokoa ny halehiben'ny fahotany araka ny fitarainana tonga hatraty amiko, ary raha mbola tsy feno dia ho hitako. 22 Niainga ireo lehilahy ireo, ka nandeha nankany Sodoma; fa Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan'ny Tompo ihany.

23 Ary nanatona Abrahama ka nanao hoe: Hataonao maty miaraka amin'ny meloka koa va ny marina? 24 Angamba hisy olo-marina dimampolo ao an-tanàna ao ka hovonoinao koa va ireny. Ary tsy hamindranao fo va ny tanàna noho ireo olo-marina dimampolo ireo, raha misy izany tokoa ao? 25 Sanatria anao izay hanao izany, ka hamono ny marina miaraka amin'ny meloka. Sahala izany ny hahazo ny marina sy ny meloka! Sanatria anao izany. Mpitsara ny tany rehetra ve ka tsy hitsara marina? 26 Hoy Iaveh: Raha mahita olo-marina dimampolo ao an-tanàna Sodoma aho, dia hamindra fo amin'ny tanàna manontolo noho ny fitiavako an'ireo. 27 Fa hoy indray Abrahama: Indro efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho, izaho vovoka sy lavenona foana. 28 Angamba ho latsaka dimy ny dimampolo marina; ka dia haringanao ve ny tanàna manontolo, noho ny dimy? Hoy izy: Tsy handringana azy aho, raha mahita olo-marina dimy amby efa-polo ao. 29 Dia mbola niteny taminy ihany Abrahama, ka nanao hoe: Angamba ho efa-polo ny olo-marina ao. Ary hoy izy: Tsy hanao izany aho, noho ny fitiavako an'izy efa-polo ireo.

30 Ary hoy Abrahama: Enga anie ka tsy hahatezitra ny Tompo, raha mbola miteny aho: Angamba telo-polo izy no ho hita ao. Dia hoy izy: Tsy hanao izany aho raha telo-polo no hitako ao.

31 Hoy Abrahama: Indro efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho, angamba roa-polo izy no ho hita ao. Ary hoy izy: Tsy handringana ny tanàna aho raha roa-polo izy. 32 Hoy Abrahama: Enga anie ka tsy ho tezitra ny Tompo, fa tsy hiteny intsony afa-tsy ity indray mandeha ity aho: Angamba folo izy no ho hita ao. Dia hoy izy: Tsy handringana azy aho noho ireo folo ireo. 33 Lasa nandeha Iaveh nony tapi-niteny tamin'i Abrahama, ary Abrahama kosa dia nody.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0426