Ny Jenezy

Toko faha-18

20 Dia hoy Iaveh: Mafy loatra ny fitarainana miakatra avy amin'i Sodoma sy Gomora, ary lehibe indrindra ny fahotan'izy ireo. 21 Koa hidina aho ary hizaha raha efa feno tokoa ny halehiben'ny fahotany araka ny fitarainana tonga hatraty amiko, ary raha mbola tsy feno dia ho hitako. 22 Niainga ireo lehilahy ireo, ka nandeha nankany Sodoma; fa Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan'ny Tompo ihany.

23 Ary nanatona Abrahama ka nanao hoe: Hataonao maty miaraka amin'ny meloka koa va ny marina? 24 Angamba hisy olo-marina dimampolo ao an-tanàna ao ka hovonoinao koa va ireny. Ary tsy hamindranao fo va ny tanàna noho ireo olo-marina dimampolo ireo, raha misy izany tokoa ao? 25 Sanatria anao izay hanao izany, ka hamono ny marina miaraka amin'ny meloka. Sahala izany ny hahazo ny marina sy ny meloka! Sanatria anao izany. Mpitsara ny tany rehetra ve ka tsy hitsara marina? 26 Hoy Iaveh: Raha mahita olo-marina dimampolo ao an-tanàna Sodoma aho, dia hamindra fo amin'ny tanàna manontolo noho ny fitiavako an'ireo. 27 Fa hoy indray Abrahama: Indro efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho, izaho vovoka sy lavenona foana. 28 Angamba ho latsaka dimy ny dimampolo marina; ka dia haringanao ve ny tanàna manontolo, noho ny dimy? Hoy izy: Tsy handringana azy aho, raha mahita olo-marina dimy amby efa-polo ao. 29 Dia mbola niteny taminy ihany Abrahama, ka nanao hoe: Angamba ho efa-polo ny olo-marina ao. Ary hoy izy: Tsy hanao izany aho, noho ny fitiavako an'izy efa-polo ireo.

30 Ary hoy Abrahama: Enga anie ka tsy hahatezitra ny Tompo, raha mbola miteny aho: Angamba telo-polo izy no ho hita ao. Dia hoy izy: Tsy hanao izany aho raha telo-polo no hitako ao.

31 Hoy Abrahama: Indro efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho, angamba roa-polo izy no ho hita ao. Ary hoy izy: Tsy handringana ny tanàna aho raha roa-polo izy. 32 Hoy Abrahama: Enga anie ka tsy ho tezitra ny Tompo, fa tsy hiteny intsony afa-tsy ity indray mandeha ity aho: Angamba folo izy no ho hita ao. Dia hoy izy: Tsy handringana azy aho noho ireo folo ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1217