Ny Jenezy
Toko faha-19
30 Niakatra avy tao Segora Lota, dia nitoetra tao an-tendrombohitra izy sy ny zanany roa vavy; fa natahotra ny hitoetra tao Segora. Dia nipetraka tao amin'ny zohy anankiray izy sy ny zanany roa vavy.31 Ary hoy ilay zokiny tamin'ny zandriny: Efa antitra ity ny raintsika, nefa amin'ity tany ity tsy misy lehilahy handeha amintsika, araka ny fanaon'ny tany rehetra, 32 ka handeha hampisotrointsika divay ny raintsika, dia handry aminy isika, mba hananantsika fara mandimby, avy amin'ny raintsika. 33 Ny alin'izay ihany, dia nampisotroiny divay tokoa rainy, ka niditra nandry tao amin-drainy ilay zokiny; tsy nisy hitany anefa, na ny nandrian-janany na ny niarenany. 34 Nony ampitso, dia hoy ilay zokiny tamin'ny zandriny: Efa nandry tamin'i dada aho alina, ka handeha indray hampisotrointsika divay izy, anio alina, dia mandehàna handry aminy hianao, mba hananantsika fara mandimby avy amin'ny raintsika. 35 Ny alin'iny ihany dia nampisotroiny divay indray ny rainy, ka niditra nandry taminy ilay zandriny, tsy misy hitany anefa na izay nandriany na izay niarenany. 36 Ary samy nanan-janaka tamin-drainy ny zanak'i Lota roa vavy.
