Ny Jenezy

Toko faha-2

18 Ary hoy Iaveh Andriamanitra: Tsy tsara raha irery ny lehilahy; fa hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy. 19 Ary Iaveh Andriamanitra, izay efa namorona tamin'ny tany ny biby rehetra eny an-tsaha sy ny vorona rehetra eny amin'ny habakabaka dia nampiavy azy hankeo amin-dralehilahy mba hahitany izay hanononany azy avy; hitondran'ny zava-manana aina rehetra ny anarana homen-dralehilahy azy avy. 20 Dia nomen-dralehilahy anarana avokoa ny biby fiompy rehetra, mbamin'ny vorona eny amin'ny habakabaka sy ny biby eny an-tsaha, nefa tsy hitany izay ho mpanampy an-dralehilahy mitovy aminy. 21 Ka nataon'ny Tompo Andriamanitra renoky ny torimaso ralehilahy, dia natory; ary nalainy ny taolan-tehezany anankiray fa nofo no nakombony ho solony 22 Ny taolan-tehezana nalain'ny Tompo Andriamanitra tamin-dralehilahy dia namoronany vehivavy iray, ka nentiny teo amin-dralehilahy. 23 Ary hoy ralehilahy: Amin'izao ity no taolana avy amin'ny taolako, sy nofo avy amin'ny nofoko. Hantsoina hoe vehivavy izy, satria nalaina avy tamin'ny lehilahy. 24 Noho izany handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin'ny vadiny; ary ho nofo iray ihany izy ireo. 25 Samy nitanjaka izy roa, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahamenatra azy izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.097