Ny Jenezy

Toko faha-2

4 Izao no tantaran'ny lanitra sy ny tany, rehefa voahary izy, rehefa vitan'ny Tompo Andriamanitra ny tany sy ny lanitra.

5 Teo ambonin'ny tany tsy mbola nisy hazo madinika eny an-tsaha, ary ny anana eny an-tsaha tsy mbola nisy nitsimoka, satria Iaveh Andriamanitra tsy mbola nandatsaka ranonorana amin'ny tany; ary ny olona hamboly ny tany koa tsy mbola nisy.

6 Nefa nisy entona niakatra avy amin'ny tany, sy nanondraka ny tany rehetra. 7 Vovo-tany no nanaovan'ny Tompo Andriamanitra ny olombelona, dia nofofoniny fofon'aina mahavelona ny vavorony, ka tonga zava-manana aina ny olona.

8 Ary Iaveh Andriamanitra nanao saha tany Edena, tany atsinanana, ka napetrany tao ny olona izay noforoniny. 9 Ary nampanirin'ny Tompo Andriamanitra tamin'ny tany izao hazo rehetra mahate-hijery sady fihinana isan-karazany izao sy ny hazon'aina tao afovoan'ny saha, ary ny hazon'ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy. 15 Dia nalain'ny Tompo Andriamanitra ralehilahy, ka napetrany tao amin'ny sahan'i Edena, mba hiasa sy hiandry azy.

16 Ary Iaveh Andriamanitra nanome izao didy izao an-dralehilahy: Azonao ihinanana avokoa ny hazo rehetra eto amin'ny saha. 17 Nefa aza ihinananao ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa ho faty mihitsy hianao amin'ny andro hihinananao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2091