Ny Jenezy

Toko faha-2

3 Ary Andriamanitra nitso-drano ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany andro izany no nitsaharany tamin'ny zavatra rehetra nohariny tamin'ny nanaovany azy. 7 Vovo-tany no nanaovan'ny Tompo Andriamanitra ny olombelona, dia nofofoniny fofon'aina mahavelona ny vavorony, ka tonga zava-manana aina ny olona.

8 Ary Iaveh Andriamanitra nanao saha tany Edena, tany atsinanana, ka napetrany tao ny olona izay noforoniny. 9 Ary nampanirin'ny Tompo Andriamanitra tamin'ny tany izao hazo rehetra mahate-hijery sady fihinana isan-karazany izao sy ny hazon'aina tao afovoan'ny saha, ary ny hazon'ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.071