Ny Jenezy

Toko faha-21

5 Efa zato taona Abrahama tamin'ny nahaterahan'Isaaka zanany. 8 Nihalehibe ny zaza dia notazana. Ary nanao fanasana lehibe Abrahama tamin'ny andro nanotazana an'Isaaka.

9 Ilay zanak'i Agara Ejipsiana naterany tamin'i Abrahama kosa, hitan'i Sarà fa nihomehy, 10 ka hoy izy tamin'i Abrahama: Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak'io andevovavy io dia tsy mahazo miray lova amin'ny zanako, amin'Isaaka. 11 Nampalahelo mafy an'i Abrahama izany teny izany, noho ny amin'ny zanany. 12 Fa hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Aza atao mampalahelo anao ny amin'ny zaza sy ny andevovavinao, fa na inona na inona angatahin'i Sarà ekeo avokoa, satria avy amin'Isaaka no hihavian'ny taranaka hitondra ny anaranao. 13 Kanefa hotongaviko firenena ihany koa ny zanaky ny andevovavinao, satria terakao izy. 14 Dia nifoha maraina koa Abrahama, ka naka mofo sy rano eran'ny siny hoditra anankiray; nomeny an'i Agara sy nataony teo an-tsorony ireo ary ny zaza koa, dia nalefany izy. Nandeha ravehivavy ka nirenireny tany an'efitr'i Bersabea tany.

15 Nony lany ny rano tamin'ilay siny hoditra, dia nariany teo am-poto-kazo kely anankiray ny zaza; 16 ary lasa izy nipetraka lavidavitra tandrifiny sahabo ho tra-tsipika; fa hoy izy: Tsy tiako ny hahita ny hahafatesan'ny zaza. Koa nipetraka tandrifiny izy, dia nanandra-peo ary nitomany. 17 Andriamanitra nandre ny feon'ny zaza, ka ny Anjelin'Andriamanitra tany an-danitra dia niantso an'i Agara nanao hoe: Fa maninona izato hianao, ry Agara? Aza matahotra fa efa henon'Andriamanitra ny feon'ny zaza, ao amin'ny toerana misy azy. 18 Mitsangàna hianao, areno ny zaza, ka tantano izy, fa hataoko firenena lehibe izy. 19 Dia nampahiratin'Andriamanitra ny mason'i Agara, nahita lavaka fantsakana izy, ary nofenoiny rano tao ny siny hoditra, dia nampisotroiny ny zaza. 20 Nomban'Andriamanitra ny zaza, ka nihalehibe; ary nonina tany an'efitra izy, sy tonga mpandefa tsipika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0862