Ny Jenezy

Toko faha-25

1 Ary Abrahama nampaka-bady, Setorà no anarany.

2 Ka izao no naterak'io taminy: Zamràna, Jeksàna, Madàna, Madiàna, Jesbaoka ary Soe. 3 Jeksàna niteraka an'i Sabà sy Dadàna; ny zanakalahin'i Ddadàna dia ny Asorima, ny Latosima, ny Laomima; 4 Ny zanakalahin'i Madiàna dia Efà, Ofera, Henoka, Abidà, ary Eldao. - Ireo no zanakalahin'i Setorà rehetra. 5 Natolotr'i Abrahama an'Isaaka ny fananany rehetra.

6 Fa tolotànana no nomeny ny zanaky ny vaditsindranony; sady mbola velona teo izy dia efa nampandehaniny izy ireo hiala teo amin'Isaaka hiantsinanana any amin'ny tany Atsinanana. 7 Dimy amby fito-polo amby zato taona no andro niainan'i Abrahama,

8 ka efa tratra antitra tsara, ary efa ela sy lava andro niainana Abrahama vao niala aina, ka maty, dia nakambana tamin'ny razany. 9 Nalevin'Isaaka sy Ismaely zanany izy, tao amin'ny zohy any Makpela, amin'ny sahan'i Efrona, zanak'i Seora, Heteana, tandrifin'i Mambre, 10 dia ilay saha novidin'i Abrahama tamin'ny taranak'i Heta. Tao no nalevina Abrahama sy Sarà vadiny. 11 Nony maty Abrahama nasian'Andriamanitra soa Isaaka zanany; ary tao akaikin'ny fantsakana "Lakaï-Roï" Isaaka no nonina.

12 Izao no tantaran'Ismaely zanak'i Abrahama izay naterak'i Agara Ejipsiana mpanompovavin'i Sarà tamin'i Abrahama.

13 Izao no anaran'ny zanakalahin'Ismaely, araka ny anaran'ny taranany avy: Nebaiota no lahimatoan'Ismaely, dia Sedara, Adbeela, Mabsama, 14 Masmà, Domà, Masà, 15 Hadada, Temà, Jetora, Nafisy ary Sedmà. 16 Ireo no zanakalahin'Ismaely, ireo no anarany araka ny vohiny sy ny tobiny avy; ireo no filohany roa ambin'ny folo amin'ny fokony. 17 Fito amby telo-polo amby zato taona no andro niainan'Ismaely dia niala aina izy; ka maty, ary nakambana tamin'ny razany.

18 Ny taranany dia nonina hatrany Hevila ka hatrany Sora, tandrifin'i Ejipta tamin'ny làlana mankany Asiria. Nitatra tandrifin'ny rahalahiny rehetra izy. 19 Izao no tantaran'Isaaka zanak'i Abrahama.

20 Abrahama niteraka an'Isaaka. Ary efa efa-polo taona Isaaka vao nampakatra an-dRebekà, zanak'i Batoela Arameana any Padan-Arama, sy anabavin'i Labana Arameana. 21 Nangataka tamin'ny Tompo ho an'ny vadiny Isaaka, fa momba ravehivavy; ary nohenoin'ny Tompo ny fangatahany, ka dia nanana anaka Rebekà vadiny. 22 Nifanosika tao an-kibo ireo zaza, ka hoy izy: Raha izany no izy, nahoana foana aho no dia bevohoka? Dia lasa nanontany tamin'ny Tompo izy, 23 Ka hoy Iaveh taminy: Firenena roa no ao an-kibonao. Vahoaka roa toko no hisaraka hatreo am-pialana amin'ny kibonao. Ka ny vahoaka iray toko dia hahery noho ny iray toko hafa. Ary ny iray lehibe no hanompo ny iray kely. 24 Dia tonga ny fotoana hahaterahany, ary zaza kambana no tao an-kibony.

25 Ilay nivoaka voalohany dia menapiny, toy ny lamba voloina ny tenany manontolo, ary natao hoe Esao no anarany; ny rahalahiny nanarakaraka kosa, sady nihazona ny ombalahin-tongotr'i Esao, ary nataony hoe Jakoba no anarany. 26 Efa enim-polo taona Isaaka tamin'ny nahaterahan'izy ireo. 27 Dia nitombo ireo zaza ireo ka Esao moa tonga mpihaza mahay, sy lehilahy mpiantsaha; fa Jakoba kosa lehilahy nandry fahizay, faly nipetraka tao an-day.

28 Isaaka raiki-pitia an'i Esao, satria nankafy ny haza; fa Rebekà kosa tia an'i Jakoba.

29 Nahandro hanina indrindra Jakoba no tonga avy any an-tsaha Esao, efa trotraky ny harerahana.

30 Ka hoy Esao tamin'i Jakoba: Mba avelao aho hihinana amin'ny mena, dia amin'io mena io, fa reraka aho. Izany no nanaovana ny anaran'i Esao hoe Edoma. 31 Ary hoy Jakoba: Amidio amiko àry aloha ny fizokianao. 32 Dia hoy Esao: Izaho aza efa ho faty, ka ho inoko akory izay fizokiana? 33 Fa hoy Jakoba: Mianiàna àry amiko aloha. Dia nianiana izy, ka nivarotra ny fizokiany tamin'i Jakoba. 34 Izay vao nomen'i Jakoba mofo sy sosam-boanemba Esao; ka nony efa nihinana sy nisotro izy, dia nitsangana ka lasa nandeha. Toy izany no nanamavoan'i Esao ny fizokiany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0365