Ny Jenezy

Toko faha-27

1 Efa antitra Isaaka ka efa nanjavona ny masony ka tsy nahita intsony. Dia niantso an'i Esao zanany lahimatoa izy, ka nanao tamin'ny hoe: Anaka. - Ary hoy io taminy: Inty aho.

2 Dia hoy Isaaka: Hitanao fa efa antitra aho izao; ary tsy fantatro izay andro hahafatesako. 3 Koa ankehitriny, alao ny fitaovanao, dia ny tranon-jana-tsipikanao sy ny tsipikanao, ka mandehana any an-tsaha ka mamonoa biby fihaza ho ahy. 4 Dia anaovy nahandro tsara ho ahy izany, araka ilay tiako; ka ento aty amiko hohaniko, mba hitsofan'ny fanahiko rano anao, dieny mbola tsy maty aho. 5 Ary henon-dRebekà kosa ny nitenenan'Isaaka tamin'i Esao, zanany; dia lasa Esao nankany an-tsaha mba hiremby haza sy hitondra azy. 6 Tamin'izay Rebekà nilaza tamin'i Jakoba, zanany hoe: Izao no reko nolazain-drainao tamin'i Esao, rahalahinao:

7 Itondray haza aho, ka anaovy nahandro tsara hohaniko, mba hitsofako rano anao eo anatrehan'ny Tompo alohan'ny hahafatesako. 8 Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko amin'izay asaiko hataonao: 9 Mandehana mankany amin'ny biby fiompy ka angalao zanak'osy roa izay tsara aho, hanaovako nahandro tsara ho an-drainao, araka ilay tiany; 10 dia hoentinao ao amin-drainao izany dia hohaniny, mba hitsofany rano anao, alohan'ny hahafatesany. 11 Ary hoy Jakoba tamin-dRebekà reniny: Esao rahalahiko, lehilahy voloina, fa izaho malambo hoditra. 12 Angamba hitsapa ahy ikaky ka hoheveriny ho mpamazivazy azy aho, ary amin'izay, ozona fa tsy tso-drano no ho azoko. 13 Hoy reniny taminy: Aoka hihatra amiko ny fanozonana anao, anaka. Fa araho ihany ny teniko: mandehàna, angalao zanak'osy roa aho. 14 Dia nandeha naka Jakoba, ka nitondra izany tamin-dreniny, nanaovany nahandro tsara araka ilay tian-drainy. 15 Ary nalain-dRebekà ny fitafian'i Esao, zanany lahimatoa, ny tsara indrindra, izay tao an-trano, ka nampitafiany an'i Jakoba, zanany lahiaivo. 16 Dia nofonosiny tamin'ny hodi-janak'osy koa ny tànany mbamin'ny malambolambo amin'ny vozony. 17 Izay vao nataony an-tanan-janany ny nahandro tsara sy ny mofo efa namboariny. 18 Dia nankao amin-drainy Jakoba, ka nanao hoe: Dada ô! - Inty aho, hoy Isaaka, iza moa hianao anaka?

19 Ary hoy Jakoba tamin-drainy: Izaho no Esao, zanakao lahimatoa. Vitako ny nasainao nataoko ka masìna hianao, miarena ary mipetraha hihinana ny hazako, mba hitsofan'ny fanahinao rano ahy. 20 Fa hoy Isaaka tamin-janany: Ahoana no dia nahazoanao faingana toy izany, anaka? Ka hoy Jakoba: Iaveh Andriamanitrao no nahatonga azy teo anoloako. 21 Manatòna àry, hoy Isaaka, mba hitsapako anao kely, na hianao tokoa no Esao zanako, na tsia. 22 Dia nanatona an-drainy Jakoba; ka hoy Isaaka nony nitsapa azy: Ny feony dia feon'i Jakoba, fa ny tànany dia tànan'i Esao. 23 Tsy nahalala azy izy, satria voloina tahaka ny an'i Esao, rahalahiny, ny tànany, ka dia nitso-drano azy. 24 Hoy izy: Marina tokoa va fa hianao no Esao, zanako? Ary hoy Jakoba: Izaho no izy. 25 Dia hoy Isaaka: Arosoy àry hohaniko izato hazan'ny zanako, mba hitsofan'ny fanahiko rano anao. Dia naroson'i Jakoba teo anoloany izany ka nihinana izy; ary notolorany divay koa; ka nisotro. 26 Rahefa izany, hoy Isaaka rainy, taminy: Manatòna hianao anaka, ka manoroha ahy.

27 Dia nanatona Jakoba ka nanoroka azy; ary nandre ny hanitry ny fitafiny Isaaka, ka nitso-drano azy, nanao hoe: Eny, ny hanitry ny zanako, dia tahaka ny hanitry ny saha voatso-dranon'ny Tompo. 28 Andriamanitra anie hanome anao amin'ny andon'ny lanitra sy amin'ny menaky ny tany; Mbamin'ny vary aman-divay an-kabetsahana! 29 Hotompoim-pirenena maro anie hianao, Hiankohofam-pirenena maro hianao, Ho tompon'ny rahalahinao anie hianao, Hiankohofan'ny zana-dreninao hianao, Ho voaozona anie izay hanozona anao, Fa hohasoavina kosa izay hanisy soa anao! 30 Vao avy nitso-drano an'i Jakoba Isaaka, ary vao nandao an'Isaaka rainy Jakoba, no tonga avy any am-pihazana kosa Esao, rahalahiny.

31 Mba nanao nahandro tsara koa izy, ka nitondra izany tao amin-drainy, ary nanao tamin-drainy hoe: Aoka hiarina ny raiko sy hihinana ny hazan'ny zanany, mba hitsofan'ny fanahinao rano ahy. 32 Fa hoy Isaaka, rainy, taminy: Iza moa hianao? Ary hoy izy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa. 33 Tera-kovitra mafy indrindra Isaaka, ka nanao hoe: Iza àry ilay efa naka haza, ka nitondra teo amiko? Fa efa nihinanako avokoa izany, talohan'ny nahatongavanao; ary efa nitso-drano azy aho, ka ho voatsodrano tokoa izy. 34 Vao nandre ny tenin-drainy Esao dia nikiaka mafy ery nitaraina tamin'alahelo mangidy sy nanao tamin-drainy hoe: Mba tsofy rano aho, dia izaho koa, ry Dada ô! 35 Fa hoy Isaaka: Tonga ny rahalahinao nanao an-kafetsena ka lasany ny tso-dranonao. 36 Ka hoy Esao: Noho ny nanaovana azy hoe Jakoba va no nanonganany ahy indroa izao? Efa naka ny fizokiako izy, ary inty indray ankehitriny, naka ny tso-dranoko koa. Dia hoy koa izy: Tsy mba misy tso-drano natokanao ho ahy va? 37 Fa hoy ny navalin'Isaaka an'i Esao: Efa natsangako ho tomponao izy; sady efa nomeko azy ho mpanompony ny rahalahiny rehetra, ary nataoko be vary aman-divay izy. Ka ny aminao inona indray no azoko hatao, anaka! 38 Dia hoy Esao tamin-drainy: Dia tsy manana afa-tsy io tso-drano io va hianao, ry dada? Tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry dada ô! Sady nanandratra ny feony nitomany Esao. 39 Ka izao no navalin'Isaaka rainy azy: Tsy hisy menaky ny tany amin'ny fonenanao. Tsy hisy ando avy amin'ny lanitra. 40 Fa ny sabatrao no hivelomanao, Ary ny rahalahinao no ho tompoinao. Mbola ho avy anefa ny hanifihanao ny jiogany, Ka ho tapakao ho afaka min'ny vozonao iny. 41 Raikitra ao am-pon'i Esao ny fankahalana an'i Jakoba noho ny tso-drano nomen-drainy azy, ka hoy izy tao am-pony: Ny andro hisaonako an'i Dada dia efa antomotra; amin'izay dia hovonoiko i Jakoba rahalahiko.

42 Nolazain'olona tamin-dRebekà izany tenin'i Esao zanany lahimatoa izany, ka nampanalainy Jakoba zanany lahiaivo, dia hoy izy taminy: Indro Esao rahalahinao mikasa hamaly faty anao, ka hamono anao. 43 Noho izany, anaka, henoy aho: Miaingà hianao ary mandosira any amin'i Labana anadahiko, any Harana, 44 ka mitoera any andro vitsivitsy mandra-pionon'ny hatezeran'ny rahalahinao. 45 Fa rahefa afaka ny hatezeran'ny rahalahinao aminao ka hadinony izay nataonao taminy, dia haniraka hampaka anao any aho. Hataoko ahoana no famoy anareo mirahalahy, indray andro? 46 Ary hoy Rebekà tamin'Isaaka: Boboky ny miaina aho noho ny amin'ireny zanakavavin'i Heta ireny, raha maka vady tahaka ireny Jakoba, amin'ireny zanakavavin'i Heta ireny, amin'ny zazavavy amin'ity tany ity, dia hampaninona ahy intsony izay aina?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1211