Ny Jenezy

Toko faha-3

9 Fa Iaveh Andriamanitra niantso an-dralehilahy nilaza taminy hoe: Aiza moa hianao? 10 Hoy ny navaliny: Nandre ny feonao tao anaty saha aho, ka natahotra, fa mitanjaka, ka dia niery aho. 11 Ary hoy Iaveh Andriamanitra: Iza no nahafantaranao fa mitanjaka hianao? Moa nihinana tamin'ny hazo norarako tsy hihinananao va hianao? 12 Hoy ny navalin-dralehilahy: Ny vehivavy izay napetrakao eto amiko no nanome ahy tamin'ilay hazo, dia nihinana aho. 13 Hoy Iaveh Andriamanitra tamin-dravehivavy: Ahoana no nanaovanao izany? Hoy ny navalin-dravehivavy: Ny bibilava no namitaka ahy, ka dia nihinana aho. 14 Hoy Iaveh Andriamanitra tamin'ny bibilava: Noho hianao nanao izany, dia voaozona hianao amin'ny biby fiompy rehetra sy ny biby rehetra eny an-tsaha: hikisaka amin'ny kibonao hianao ary vovo-tany no hohaninao amin'ny andro rehetra hiainanao. 15 Ary hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany; izy hanorotoro ny lohanao, hianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1221