Ny Jenezy

Toko faha-32

1 Dia nanohy ny diany Jakoba ary ny anjelin'Andriamanitra nifanena taminy. 2 Ka hoy izy nahita ireo: Tobin'Andriamanitra ity; dia nataony hoe Mahanaïma ny anaran'izany fitoerana izany. 3 Ary nandefa iraka hialoha azy Jakoba, ho any amin'i Esao, rahalahiny, any amin'i Seira any an-tsahan'i Edoma. 4 Nomeny teny ireo nataony hoe: Izao no holazainareo amin'ny tompoko, amin'i Esao: Izao no tenin'i Jakoba mpanomponao: Nitoetra tany amin'i Labana aho ary nijanona tany, mandrak'ankehitriny. 5 Efa manana omby aman'ampondra sy ondry, ary mpanompo lahy amana vavy aho, ary mampilaza izany amin'ny tompoko, mba hahitako fitia eo imasonao. 6 Fa niverina nankeo amin'i Jakoba ny iraka, ka nanao hoe: Nankany amin'i Esao rahalahinao izahay, ka indro tamy hitsena anao izy omban'olona efa-jato lahy.

7 Raiki-tahotra mafy Jakoba sy velom-panahiana izaitsizy. Nozarainy ho antokony roa ny olona nomba azy, mbamin'ny ondry sy ny omby ary ny rameva. 8 Fa hoy izy: Raha tafahaona amin'ny antokony iray Esao ka mamely azy, dia ho afaka hanavotra ny ainy ny antokony iray sisa. 9 Ary hoy Jakoba: E! ry Andriamanitr'i Abrahama raiko, Andriamanitr'Isaaka raiko, Iaveh izay nilaza tamiko hoe: Modia any amin'ny taninao, sy any amin'ny fitoerana nahaterahanao, fa hanisy soa anao aho.

10 Kely tsinontsinona aho, ka tsy mendrika ny fahasoavana amam-pahamarinana rehetra nataonao tamin'ny mpanomponao, fa ny tehiko ihany no taty amiko no nita ity Jordany ity aho; nefa indro efa tonga antokon'olona roa aho ankehitriny. 11 Vonjeo re aho, ho afaka amin'ny tanan'ny rahalahiko, dia amin'ny tanan'i Esao; fa matahotra aho, fandrao avy mamely ahy, ary ny reny mbamin'ny zanany izy. 12 Hianao anefa, efa nilaza hoe: Hanisy soa anao aho, ary hahamaro ny taranakao tahaka ny fasika any an-dranomasina izay betsaka loatra ka tsy tambo isaina. 13 Dia nitoetra teo Jakoba tamin'iny alina iny. Ary nangalàny hatao fanomezana ho an'i Esao, rahalahiny, ny harena efa azony;

14 osivavy roan-jato, osilahy roa-polo, ondrivavy roan-jato, ondrilahy roa-polo, 15 rameva mitaiza am-pianahany telo-polo, sy ny zanany, ombivavy efa-polo, ombilahy folo, ampondravavy roa-polo, ary zanak'ampondra folo. 16 Napetrany teo an-tanan'ny mpanompony ireo, nataony mitsitokotoko, dia hoy izy taminy: Mandehana eo alohako hianareo, ka asio elanelany isan-tokony ny zavatra. 17 Ary izao no teny nomeny ny voalohany: Rahefa hifanena aminao Esao rahalahiko, ka hanontany anao hoe: An'iza hianao, ary ho aiza? Ary an'iza ity andiam-biby fiompy alohanao? 18 dia valio hoe: An'i Jakoba mpanomponao ireo, dia fanomezana ampanateriny ho an'ny tompoko, ho an'i Esao, ary indro izy tamy ao aorianay ao koa. 19 Nomeny teny torak'izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, mbamin'izay rehetra nanaraka ny biby fiompy nataony hoe: Izao no holazainareo amin'i Esao, rahefa hifanena aminy hianareo; 20 dia ataovy hoe: Indro, Jakoba, mpanomponao, tamy ao aorianay ao koa. Fa hoy izy anakampony: Hotoneko amin'ireo fanomezana eo alohako ireo ny fahatezerany, vao hahita ny tavany aho, ka angamba horaisiny tsara aho. 21 Dia nandroso nialoha ny fanomezana, fa izy mbola nijanona teo amin'ny toby ihany, ny alin'iny. 22 Tamin'iny alina iny ihany dia nitsangana izy, nalainy ny vadiny roa sy ny ankiziny roa vavy ary ny zanany iraik'ambin'ny folo lahy: dia nita tamin'ny fitàna tao Jabaoka izy.

23 Nalainy ireo nampitainy ny rano, ary nampitainy koa ny fananany. 24 Dia Jakoba irery sisa nijanona teo, ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy, mandra-pahazava-ratsin'ny andro.

25 Nony hitan-dralehilahy fa tsy naharesy azy izy, dia ny famavàn'ny feny no notendreny ka nivika tery ny fotopen'i Jakoba nandritra ny nitolomany taminy. 26 Dia hoy izy tamin'i Jakoba: Avelao aho handeha, fa efa hazava ratsy ity ny andro. Fa hoy Jakoba: Tsy avelako handeha hianao raha tsy efa nitso-drano ahy. 27 Dia hoy izy taminy: Iza no anaranao? Ary novaliany hoe: Jakoba. 28 Ka hoy izy : Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao; fa hatao hoe Israely; satria efa niady tamin'Andriamanitra sy tamin'olombelona hianao ka nahery. 29 Dia mba nanontany azy kosa Jakoba nanao hoe: Masìna hianao, mba ampahalalao ahy kely ny anaranao. Fa hoy izy: Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia nitso-drano azy teo izy. 30 Ary nataon'i Jakoba hoe Fanoely ny anaran'io tany io, fa hoy izy: Efa nahita an'Andriamanitra nifanatrika aho, nefa velona ihany ny aiko. 31 Nony niala teo Fanoely izy, dia indro hitany niposaka ny masoandro; nitolitsika anefa izy tamin'ny foto-peny. 32 Izany no tsy ihinanan'ny Zanak'Israely ny hozatra lehibe ao amin'ny famavàn'ny fe mandrak'androany, dia noho ny nanendren'Andriamanitra ny famavàn'ny fen'i Jakoba teo amin'ny hozatra lehibe.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1592