Ny Jenezy

Toko faha-34

1 Ary Dinà zanakavavin'i Lià, naterany tamin'i Jakoba, nivoaka hizaha ny zazavavy tompon-tany.

2 Ka hitan'i Sikema zanak'i Hemora, Heveana, andriana tamin'izany tany izany, dia notsoahany, ka niray fandriana ary nanao an-kery taminy izy. 3 Raiki-pitia tamin'i Dinà, zanakavavin'i Jakoba, ny fon'i Sikema, ka tia an-drazazavavy ary nanao teny malefaka taminy izy. 4 Ary Sikema nilaza tamin'i Hemora rainy hoe: Alaovy ho vadiko io zazavavy io. 5 Efa ren'i Jakoba ihany ny nandotoany an'i Dinà zanany vavy, nefa mbola tany an-tsaha tamin'ny biby fiompiny ny zanany lahy, ka dia nangina izy aloha mandra-pahatongan'ireo. 6 Dia nivoaka hiresaka amin'i Jakoba Hemora rain'i Sikema;

7 ary efa tonga avy any an-tsaha koa ny zanak'i Jakoba vao nandre izany zavatra izany; tafintohina mafy ireo lehilahy ireo ka nisafoaka mihitsy izy ireo, fa nanao izay fady indrindra Sikema nanala baraka an'Israely tamin'ny nandriany tamin'ny zanakavavin'i Jakoba, ka zavatra tsy tokony hatao akory izany. 8 Izao no nolazain'i Hemora tamin'izy ireo: Raiki-pitia amin'ny zanakavavinareo ny fon'i Sikema zanako; koa masìna hianareo, omeo azy ho vadiny. 9 Aoka hifanambady anaka isika: ny zanakavavinareo homenareo ho anay; ny anay kosa halainareo ho anareo. 10 dia honina aty aminay hianareo, ka ho azonareo hanaranam-po ny tany; na hipetrahanareo na hanaovanareo varotra na hahatongavanareo ho tompon-tany. 11 Hoy kosa Sikema tamin'ny rain'i Dinà, sy ireo anadahiny: Aoka mba hahita fitia eo imasonareo aho, fa homeko anareo izay tononinareo amiko, 12 na harem-be asainareo haloako, na fanomezana be vava, izay tononinareo homeko avokoa, fa omeo ho vadiko ny zazavavy. 13 Saroro no navalin'ny zanak'i Jakoba an'i Sikema sy Hemora, rainy, noho ny nandotoan'i Sikema an'i Dinà, anabavin'izy ireo,

14 ka hoy izy taminy: Tsy azonay atao ny manome ny anabavinay ho an'izay lehilahy tsy voafora, fa fahavetavetana izany aminay. 15 Izao ihany no azonay hanekena ny hatakareo; raha tonga tahaka anay hianareo, ka hoforàna avokoa ny lehilahy eo aminareo. 16 Amin'izay hianareo homenay ny zanakay vavy; izahay haka ny anareo ho anay. Dia honina ao aminareo izahay, ka ho firenena iray ihany isika. 17 Fa raha tsy mety hihaino anay hianareo sy hifora dia halainay ny zanakay vavy ka handeha izahay. 18 Sitrak'i Hemora sy Sikema, zanak'i Hemora, ny teniny;

19 ka tsy nitaredretra ny hanao izany zavatra izany razazalahy, fa fatra-pitia ny zakavavin'i Jakoba izy, ary izy no tò teny indrindra tao an-tranon-drainy. 20 Dia nankeo am-bavahadin'ny tanàna Hemora sy Sikema zanany, ka niteny tamin'ny mponina tao an-tanànany nanao hoe: 21 Olona tia fihavanana ireto olona eto amintsika ireto, ka aoka izy honina amin'ny tany sy hanao varotra eto, fa malalaka ny tany, na ankavanana na ankavia, ka omby azy. Dia ny zanany vavy halaintsika ho vady; ny zanatsika vavy kosa homentsika ho azy ireo. 22 Kanefa izao ihany no aneken'ireo olona ireo ny hiara-monina amintsika, mba ho tonga firenena iray eto amintsika dia ny hoforana tahaka azy ireo ny lehilahy rehetra eto amintsika. 23 Tsy ho antsika va ny biby fiompiny sy ny fananany rehetra ary ny biby mpitondra entany rehetra? Nefa aoka hoekentsika aloha ny teniny ary aoka izy hiorim-ponenana eto amintsika. 24 Neken'izay rehetra mivoaka ny vavahadin'ny tanàna ny tenin'i Hemora sy Sikema zanany, ka dia noforàna ny lehilahy rehetra mivoaka ny vavahadin'ny tanàna. 25 Nony tamin'ny andro fahatelo, raha ilay narary iny izy ireo, dia samy naka ny sabany avy ny zanak'i Jakoba roalahy, Simeona sy Levì, anadahin'i Dinà, ka niakatra tsy aman-tahotra tao an-tanàna, namono ny lehilahy rehetra.

26 Novonoiny tamin'ny lelan-tsabatra koa Hemora sy Sikema, zanany, ary naka an'i Dinà tao an-tranon'i Sikema izy, dia lasa nivoaka. 27 Ny maty, nosavàn'ireto zanak'i Jakoba; ny tanàna, nobaboiny, noho ny nandotoana ny anabaviny. 28 Nahorony avokoa na ondry na omby na ampondra, na ny tao an-tanàna, na ny tany an-tsaha. 29 Nofaohiny daholo ny fananany, ny zanany, ny vadiny, mbamin'izay rehetra hitany tao an-trano. 30 Fa hoy kosa Jakoba tamin'i Simeona sy Levì: Nampanahirana ahy hianareo, fa nomaimboinareo amin'ny tany ama-monina aho, dia amin'ny Kananeana sy amin'ny Ferezeana. Izaho dia olom-bitsy ka hikambana izy hamely ahy, ka hovonoiny aho, dia ho fongotra aho sy ny ankohonako.

31 Ary hoy izy ireo: Moa ho azo hatao toy ny vehivavy janga foana va ny anabavinay?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0661