Ny Jenezy

Toko faha-38

1 Tamin'izany andro izany, niala teo amin'ireo rahalahiny Jodà, dia nidina ka tonga tany amin'ny lehilahy anankiray tao Odolama atao hoe Hirà.

2 Teo no nahitany ny zanakavavin'ny Kananeana anankiray, atao hoe Soe, ka naka an'io ho vady izy, dia nandeha taminy. 3 Nanana anaka ravehivavy dia tera-dahy, ary nataony hoe Hera no anarany. 4 Nanana anaka indray izy, dia tera-dahy, ka nataony hoe Onàna no anarany. 5 Ary nanana anaka koa izy, dia tera-dahy, nataony hoe Selà no anarany. Nitoetra tao Akeziba Jodà, tamin'ny niterahany an'io. 6 Ary Jodà naka vady ho an'i Hera, lahimatoany; Tamara no anarany.

7 Ratsy fanahy teo imason'ny Tompo anefa Hera, lahimatoan'i Jodà, ka novonoin'ny Tompo. 8 Dia hoy Jodà tamin'i Onàna: Mandehàna amin'ny vadin-drahalahinao, ento loloha izy, mba hamelomanao maso ny rahalahinao. 9 Fantatr'i Onàna anefa fa tsy taranaka ho azy izany, ka nony nandeha tamin'ity vadin-drahalahiny izy, dia nandoto tena teo ivelany tamin'ny tany mba tsy hampahazo taranaka ny rahalahiny. 10 Tsy sitraky ny Tompo ny nataony, ka novoiny koa izy. 11 Ary hoy Jodà tamin i Tamara, vinantovaviny: Mitoera ho mpitondratena ao an-tranon-drainao mandra-pahalehiben'i Selà, zanako lahy. Fa hoy izy anakam-po: tsy tokony ho faty toa an'ireo rahalahiny koa izy. Dia nandeha Tamara, ka nitoetra tany an-tranon-drainy. 12 Nony ela dia maty ilay zanakavavin'i Soe, vadin'i Jodà. Ary rahefa afa-tsaona Jodà, dia niakatra tany amin'ireo nanety ny ondriny, any Tamnà, izy sy Hirà, Odolamita, sakaizany.

13 Ary nisy nilaza izany tamin'i Tamara nanao hoe: Indro, ny rafozanao miakatra any Tamnà hanety ny ondriny. 14 Ka nesoriny ny akanjo fitondran'ny mpitondra tena teny aminy, dia nisarona voaly izy, ka nipetraka nisalobona teo am-bavahadin'i Enaïma, amin'ny làlana mankany Tamnà; satria hitany fa efa lehibe Selà, ary izy anefa tsy mbola nomena ho vadiny. 15 Nony nahita azy Jodà, dia nataony ho vehivavy janga izy, fa nisaron-doha; 16 ka nivily nanitsy azy teny amin'ny làlana izy, dia nanao hoe: Aoka mba handeha aminao aho. Fa tsy fantany hoe vinantony io. Dia hoy ravehivavy: Omenao inona aho, raha mandeha amiko hianao? 17 Ka hoy ny navaliny: Hampanatitra zanak'osy avy any amin'ny biby fiompy ho anao aho. Fa hoy ravehivavy: Eny, raha omenao antoka aho aloha, mandra-pampanatitrao an'izany. 18 Ary hoy izy: Inona no antoka homeko anao? Dia hoy izy: Ny peratrao sy ny kofehinao ary iny tehina an-tànanao iny. Nomeny azy izany, dia nandeha taminy izy, ka nanana anaka taminy ravehivavy. 19 Vao niainga teo ravehivavy dia lasa, nesoriny ny voaliny, ary niankanjoany indray ny akanjony fitondran'ny mpitondratena. 20 Nampanaterin'i Jodà an'ilay Odolamita, sakaizany, ny zanak'osy, hangalany ny antoka tany an-tanan-dravehivavy, kanjo tsy hitany izy.

21 Nanontany ny olona tompon-tany teo izy nanao hoe: Aiza ilay vehivavy janga nitoetra teo amoron-dàlana tao Enaïma? Fa hoy ny navalin'ny olona: Tsy nisy vehivavy janga teto. 22 Dia niverina tany amin'i Jodà izy, nilaza hoe: Tsy nahita azy aho; ary lazain'ny olona tompon-tany aza fa hoe, tsy nisy vehivavy janga teo. 23 Ka hoy Jodà: Aoka hotanany ny antoka; fa tsy tokony hihomehezan'olona foana isika; indro fa efa nampanateriko ny zanak'osy ary hianao tsy nahita azy kosa. 24 Sahabo ho telo volana taorian'izany, dia nisy nilaza tamin'i Jodà hoe: Nijangajanga Tamara vinantovavinao; ary indro fa efa nanana anaka izy tamin'ny finjangajangana nataony. Ka hoy Jodà: Avoahy izy ka aoka hodorana.

25 Nony navoaka anefa ravehivavy, dia naniraka hilaza amin-drafozany hoe: Izay lehilahy tompon'ireto zavatra ireto no nananako anaka. Ka zahao tsara, hoy izy, izay tompon'ity peratra sy ity kofehy ary ity tehina ity. 26 Dia fantatr'i Jodà ireo, ka hoy izy: Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin'i Selà, zanako. Ary tsy nahalala azy intsony izy. 27 Nony tonga ny fotoana hiterahany, injao zaza kambana no tao an-kibony.

28 Teo am-piterahany, natrangan'ny anankiray aloha ny tànany, ka noraisin'ny mpampivelona nofeheziny tamin'ny kofehy mena, nataony hoe: ity no nivoaka voalohany. 29 Kanjo nahemotr'ilay zaza ny tànany, ka indro fa ny rahalahiny no nivoaka. Akory ity fibosesehana nataonao, hoy ny mpampivelona. Hihatra aminao anie ny fibosesehana. Dia natao hoe Faresa ny anarany. 30 Izay vao nivoaka ilay rahalahiny, nifehy kofehy mena ny tànany, ka natao hoe Zarà ny anarany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0513