Ny Jenezy

Toko faha-39

1 Nentina tany Ejipta Josefa, ary Potifara, Ejipsiana, tandapan'i Faraona, lehiben'ny mpiambina, no nividy azy tamin ny Ismaelita, izay nitondra azy tany.

2 Nomban'ny Tompo Josefa, ka nahazoam-panambinana tamin'ny zavatra rehetra izy; nonina tao an-tranon'ny Ejipsiana tompony izy. 3 Hitan'ity tompony fa nomban'ny Tompo izy, ary nambinin'ny Tompo teo an-tànany avokoa ny zavatra rehetra nataony. 4 Dia nahita fitia teo imasony Josefa, ka nampanaoviny raharaha teo aminy, natsangany ho filohan'ny tranony izy, ary nataony eo am-pelatanany ny fananany rehetra. 5 Raha vantany vao notendreny ho filohan'ny tranony amam-pananany rehetra izy, dia notahin'ny Tompo ny tranon'ity Ejipsiana noho ny amin'i Josefa, ary tonga tamin'ny fananany rehetra, na an-tsaha na an-tanàna, ny fitahian'ny Tompo. 6 Ary napetrany teo an-tanan'i Josefa avokoa izay nananany; ka tsy niahy na inona na inona intsony izy taminy, afa-tsy ny hanin-kohaniny. Ary Josefa dia sady bikàna no tsara tarehy. 7 Ary taty aorian'izany, dia sendra nanopy ny masony tamin'i Josefa ny vadin'ny tompony, ka nanao hoe: Avia handry amiko.

8 Nandà izy ka nanao tamin'ny vadin'ny tompony hoe: Indro ny tompoko fa tsy miahy na inona na inona intsony amiko, amin'ny ato an-tranony, ary ny fananany rehetra napetrany eo an-tanako. 9 Tsy lehibe noho izaho izy ato an-trano; hianao irery no narovany tamiko, fa vadiny hianao. Koa ataoko ahoana no fanao izany ratsy lehibe izany, sy hanota amin'Andriamanitra? 10 Ary na dia niteny tamin'i Josefa isan'andro isan'andro aza ravehivavy, dia tsy nety nandry taminy izy, na hiara-mitoetra aminy. 11 Indray andro izy niditra tao an-trano hanao ny raharahany; ary tsy nisy tao ny olona tamin'io trano io, na dia iray aza. 12 Ka nosamborin-dravehivavy tamin'ny lambany izy, nataony hoe: Avia handry amiko. Navelan'i Josefa teo an-tànany anefa ny lambany, ka nandositra tany ala-trano izy. 13 Nony hitan-dravehivavy fa ny lambany navelany teo an-tànany, izy nandositra any ala-trano; 14 dia niantso ny mpanompo tao an-tranony izy, ary niteny taminy nanao hoe: Jereo fa nampidirany Hebrio hisangy antsika. Nidiran-dralehilahy iny teto aho, handriany amiko, ka niantsoantso mafy erý aho. 15 Nony injay reny nanandra-peo niantso mafy aho, ny lambany navelany eto anilako, ary nandositra any ala-trano izy.

16 Dia napetrany teo anilany teo ihany ny lamban'i Josefa, mandra-podian'ny tompony ao an-trano. 17 Ary ireo teny ireo ihany no nolazainy taminy koa nataony hoe: Iny andevolahy Hebrio, izay nampidirinao teto amintsika iny, dia nankatý amiko hisangy ahy. 18 Fa nanandra-peo niantsoantso aho, ka dia navelany teo anilako ny lambany, ary nandositra any ala-trano izy. 19 Nony ren'ny tompon'i Josefa ny tenin'ny vadiny nanao hoe: Izany no nataon'ny andevolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany. 20 Nalainy Josefa ka nataony an-tranomaizina, amin'ny fitoerana fitanana ny olona diso tamin'ny mpanjaka. Dia tao an-tranomaizina tao izy. 21 Nomban'ny Tompo anefa Josefa sady nanamparany ny hatsaram-pony, ary nampahazoany fitia tamin'ny mpitandrina ny tranomaizina.

22 Natolotry ny mpitandrina ny tranomaizina ho andraikitr'i Josefa ny olona rehetra tao an-tranomaizina; ary nataony tonian'izay rehetra natao tao izy. 23 Tsy nokarakarain'ny mpitandrina ny tranomaizina intsony izay rehetra mby an-tànan'i Josefa fa nomban'ny Tompo izy sady nomban'ny Tompo tamin'izay rehetra nataony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.104