Ny Jenezy

Toko faha-4

1 Ary Adama nahalala an'i Eva vadiny, ka nanana anaka izy, dia niteraka an'i Kaina, sy nanao hoe: Efa nampisy olona anankiray aho tamin'ny fanampian'ny Tompo.

2 Dia niteraka an'i Abela rahalahiny koa izy. Abela dia mpiandry ondry ary Kaina dia mpiasa tany. 3 Nony afaka elaela dia nanatitra vokatry ny tany Kaina ho fanatitra ho an'ny Tompo.

4 Ary Abela koa mba nanatitra ny voalohan-terak'ondriny, mbamin'ny taviny. Ary Iaveh nitsinjo an'i Abela sy ny fanatiny, 5 fa tsy nijery an'i Kaina sy ny fanatiny. Dia tezitra mafy tamin'izany Kaina, ary kivy endrika izy. 6 Ary hoy Iaveh tamin'i Kaina: Nahoana no tezitra hianao, ary nahoana no kivy endrika? 7 Raha tsara ny ataonao, tsy hankasitrahana va hianao? Fa raha tsy tsara kosa ny nataonao, moa tsy mamitsaka eo am-baravaranao va ny ota? Mankaminao ny faniriany, fa tsy maintsy manapaka azy kosa hianao. 8 Hoy Kaina tamin'i Abela rahalahiny: Andeha isika ho any an-tsaha. Ary nony mby tany an-tsaha izy ireo, namely an'i Abela rahalahiny Kaina ka nahafaty azy.

9 Dia hoy Iaveh tamin'i Kaina: Aiza Abela rahalahinao? Fa hoy ny navaliny: Tsy fantatro. Moa mpiambina ny rahalahiko va aho? 10 Hoy Iaveh: Inona no nataonao? fa mitaraina hatraty amiko ny feon'ny ran-drahalahinao avy amin'ny tany. 11 Amin'izao dia voaozon'ny tany hianao, fa nivava izy hitelina ny ran-drahalahinao nalatsaky ny tànanao. 12 Rehefa hiasa ny tany hianao dia tsy hanome vokatra intsony izy, ary hianao ho mpanjenjena sy mpirenireny any ambonin'ny tany. 13 Dia hoy Kaina tamin'ny Tompo: Lehibe loatra ny saziko ka tsy zakako efaina. 14 Indro roahinao hiala amin'ity tany ity aho ankehitriny ary ho takona ny tavanao aho, lavitra anao; ary hanjenjena sy hirenireny, eny ambonin'ny tany aho, ary na iza na iza hahita ahy hamono ahy. 15 Hoy Iaveh taminy: Izao àry: Raha misy hamono an'i Kaina dia valiana faty impito heny Kaina. Ary nasian'ny Tompo famantarana tamin'i Kaina mba tsy hisy hamono azy izay mifanena aminy. 16 Rahefa izany dia niala teo anatrehan'ny Tompo Kaina, ka nonina tany amin'ny Noda, atsinanan'i Edena. 17 Kaina nahalala ny vadiny ka nanana anaka izy, dia niteraka an'i Enaoka; ary nanomboka nanorin-tanàna anankiray Kaina ka nantsoiny hoe Enaoka, araka ny anaran-janany.

18 Irada no naterak'Enaoka, ary Irada niteraka an'i Maviaela; Maviaela niteraka an'i Matosaela; Matosaela niteraka an'i Lameka. 19 Nampirafy roa Lameka; Adà no anaran'ny anankiray, ary Selà no anaran'ilay faharoa.

20 Adà niteraka an'i Jabela; izy no rain'ireo mpitoetra an-day sy ao afovoan'ny biby fiompy. 21 Ny anaran'ny rahalahiny Jobala; izy no rain'izay rehetra mpitendry valiha sy mpitsoka sodina. 22 Selà kosa niteraka an'i Tobal-Kaina izay mpanefy fiasana maranitra isan-karazany na varahina na vy. Ny anaran'ny anabavin'i Tobal-Kaina dia Noema. 23 Ary hoy Lameka tamin'ireo vadiny: Mandrenesa ny feoko, ry Adà sy Selà; Henoy ny teniko, ry vadin'i Lameka; Nahafaty lehilahy iray aho, noho ny feriko; Ary tovolahy iray, noho ny ratrako.

24 Hovaliana faty impito heny Kaina, Ary hovaliana faty impito amby fitopolo heny Lameka.

25 Ary Adama nahalala ny vadiny indray ka niteraka lahy iray izy, nataony hoe Seta, fa hoy izy: Nomen'Andriamanitra ny fara aho ho solon'i Abela izay novonoin'i Kaina.

26 Seta koa niteraka lahy iray nataony hoe Enosy. Vao tamin'izay no nanomboka niantso ny anaran'ny Tompo ny olona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0618