Ny Jenezy

Toko faha-40

1 Taty aorian'izany dia sendra diso tamin'ny mpanjakan'i Ejipta, tompony, ny mpandroso divay, sy ny mpitàntana mofo, ao amin'ny mpanjakan'i Ejipta.

2 Ka tezitra Faraona tamin'ireo manamboninahiny roa lahy ireo, dia ny lehiben'ny mpandroso divay sy ny lehiben'ny mpitàntana mofo.

3 Dia nasainy nahiboka tao amin'ny lehiben'ny mpiambina ireo, tao an-tranomaizina tao, amin'ny fitoerana nitanana an'i Josefa.

4 Josefa no notendren'ny lehiben'ny mpiambina ho eo amin'izy roa lahy ireo, ka dia nanompo an'ireo izy, ary elaela ihany no tao an-tranomaizina ireo.

5 Samy nanonofy izy roalahy indray alina, dia ilay mpandroso divay sy ilay mpitàntana mofon'ny mpanjakan'i Ejipta notanana tao an-tranomaizina; ka samy nanana ny nofiny, sy samihafa ny hevitry ny nofiny.

6 Nony tonga teo amin'izy ireo Josefa ny maraina, dia nijery azy, ka indreo nalahelo tarehy izy.

7 Dia nanontanian'i Josefa ireto mpanao raharahan'i Faraona niara-notanana an-tranomaizina taminy, tao an-tranon'ny tompony, nataony hoe: Nahoana izato hianareo no malahelo tarehy anio?

8 Ka hoy ireo: Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny. Ary hoy Josefa taminy: Moa tsy an'Andriamanitra va ny fanambaran-javatra? Ka mba ambarao kely amiko izany.

9 Dia notantarain'ny lehiben'ny mpandroso divay tamin'i Josefa ny nofiny, ka hoy izy: Nofiko fa indro nisy foto-boaloboka teo anatrehako;

10 ary nisampana telo io foto-boaloboka io; dia nitsimoka izy, niposaka ny voniny, nanjary voaloboka masaka ny sampahony.

11 Ary teny an-tànako ny kopin'i Faraona, ka nalaiko ny voaloboka, nofiazako ho ao anaty kopin'i Faraona ny ranony, dia natolotro teo an-tànan'i Faraona ny kopy.

12 Dia hoy Josefa taminy: Izao no hevitr'izany: Ny sampany telo, dia hateloana.

13 Ka hateloana sisa dia hasandratr'i Faraona ny lohanao, haveriny amin'ny raharahanao indray hianao, ka hametraka ny kopin'i Faraona ho eo an-tànany hianao, araka ny raharahanao teo aloha, fony hianao mpandroso divay azy.

14 Koa raha avy izay hahatongavanao any amin'ny fahasambarana indray, ka mba mahatsiaro ahy hianao, sy mba te-hanisy soa amiko, dia lazao any amin'i Faraona any aho, asaovy hesorina amin'ity trano ity.

15 Fa an-keriny no nangalana ahy tany amin'ny tanin'ny Hebrio; ary eto aho tsy nanao na inona na inona tokony handatsahana ahy amin'ity tranomaizina ity.

16 Nony hitan'itsy lehiben'ny mpitàntana mofo fa tsara ny hevitry ny nofy nolazain'i Josefa, dia hoy izy taminy: Izao kosa no nofiko: niloloha karaba telo nisy mofo fotsy aho,

17 ka tao anatin'ilay karaba ambony indrindra, nisy ny mofomamy isan-karazany rehetra ho an'i Faraona, ary nohanin'ny vorona tao anaty karaba nololohaviko ireny.

18 Dia hoy ny navalin'i Josefa: Izao kosa no heviny: Ny karaba telo dia hateloana.

19 Ka hateloana sisa dia hesorin'i Faraona ho afaka aminao ny lohanao, ary hahantony amin'ny hazo hianao, ka hohanin'ny vorona ny nofonao eo aminao.

20 Nony tamin'ny andro fahatelo, izay fitsingerenan'ny andro nahaterahan'i Faraona, dia nanao fanasana ho an'ny mpanompony rehetra Faraona, ka samy nasandrany tokoa ny lohan'ny lehiben'ny mpandroso divay sy ny lohan'ny lehiben'ny mpitàntana mofo;

21 ny lehiben'ny mpandroso divay naveriny amin'ny raharahany indray, ka nametraka ny kopy teo an-tànan'i Faraona,

22 fa ny lehiben'ny mpitàntana mofo kosa, nasainy nahantona; dia samy araka ny nivoasan'i Josefa ny nofiny taminy avy izany.

23 Kanjo tsy mba nilaza ny amin'i Josefa ilay lehiben'ny mpandroso divay fa nanadino azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0992