Ny Jenezy
Toko faha-41
42
Dia nalain'i Faraona ny peratra tamin'ny tànany, ka nataony tamin'ny tànan'i Josefa; sady nampitafiny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony.
55
Taty aoriana tratry ny mosary koa ny tany Ejipta rehetra, ka nitaraina tamin'i Faraona ny vahoaka nitady hanina. Fa hoy Faraona tamin'ny Ejipsiana rehetra: Mankanesa any amin'i Josefa, ary ataovy izay lazainy aminareo.
56
Nony nanenika ny tany rehetra ny mosary, novohan'i Josefa ny tranom-bary rehetra naorina tany, ary nivarotra tamin'ny Ejipsiana izy; ary nitombo nitombo ihany ny mosary tamin'ny tany Ejipta.
57
Tonga tao Ejipta avokoa ny avy amin'ny tany rehetra, hividy vary amin'i Josefa, fa nihamafy ny mosary tamin'ny tany rehetra.
©
Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 -
2025 - page load 0.0124