Ny Jenezy

Toko faha-43

1 Nihamafy ny mosary tamin'ny tany;

2 ka nony efa tapitra nohaniny ny vary nalain'izy ireo tany Ejipta, dia hoy rainy taminy: Mandehàna indray mividy hanina kely ho antsika. 3 Ka hoy Jodà namaly azy: Efa nilaza mazava taminay ralehilahy, nanao hoe: Tsy hahita ny tavako hianareo raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo. 4 Ka raha avelanao hiaraka aminay ny rahalahinay, dia hidina izahay hividy hanina ho anao. 5 Fa raha tsy avelanao handeha izy, tsy hidina izahay, satria ralehilahy efa nilaza taminay hoe: Tsy hahita ny tavako hianareo, raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo. 6 Nahoana hianareo, hoy Israely, no dia nampiditra angano tamiko, nilaza tamin-dralehilahy hoe: Mbola manan-drahalahy? 7 Dia hoy iretsy: Maro ny zavatra nadinin-dralehilahy taminay, momba ny tenanay sy ny fianakavianay, fa hoy izy: Mbola velona va ny rainareo? Mbola manan-drahalahy hafa koa va hianareo? Ka araka izay nanontaniany no namalianay azy. Ary ahoana no nahazoanay an-tsaina izay hanaovany hoe: Ento midina ny rahalahinareo. 8 Ary Jodà nilaza tamin'Israely rainy hoe: Avelao handeha ny zaza hiaraka amiko, hiainganay sy handehanany, mba samy ho velona isika fa tsy ho faty na izahay sy hianao, na ny zanatsika madinika. 9 Izaho no hiantoka azy; eo an-tànako no hitakianao azy. Raha tsy tafaveriko aty aminao izy, ka tsy tongako eto anatrehanao, dia ho meloka aminao, amin'ny andro rehetra hiainako aho. 10 Fa raha tsy nijanonjanona izahay dia efa tafaverina fanindroany toy izay. 11 Ka dia hoy Israely rainy, tamin'izy ireo: Ilaina àry izany, ka dia izao no ataovy: Angalao avokoa ny vokatra malaza amin'ny tany, ataovy ao anaty fitondran'entanareo dia ento hatao fanomezana ho an-dralehilahy: ditin-kazo manitra kely, tantely kely, astragala, ladanaoma, voanjo, amandy. 12 Ataovy avo sasaka ny vola entinareo, ary ento indray koa ilay vola natao tao am-bava-lasakanareo, sao hadisoana no nanaovana azy tao. 13 Dia ento ny rahalahinareo, miaingà ka miverèna any amin-dralehilahy. 14 Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra anie hampahita fitia anareo eo imason-dralehilahy, mba havelany hody miaraka aminareo ilay rahalahinareo anankiray, sy Benjamina. Ary ny amiko raha anjarako ny hofoanana anaka dia aoka ihany ho foana anaka aho. 15 Koa nalain'ireo olona ireo izany fanomezana izany, ary nentiny teo an-tànany ny vola avo sasaka, mbamin'i Benjamina, dia niainga izy nidina nankany Ejipta, ary niseho teo anatrehan'i Josefa. 16 Vao nahita an'i Benjamina niaraka tamin'izy ireo Josefa, dia nilaza tamin'ny mpikarakara ny tranony hoe: Ampandrosoy ao an-trano ireo lehilahy ireo, dia hamonoy zavatra sy anaovy nahandro, fa hiara-mihinana amiko ireo olona ireo amin'ny mitatao vovonana. 17 Dia nataon-dralehilahy izay nasain'i Josefa hataony; ary nampidiriny tao an-tranon'i Josefa ireo olona ireo. 18 Raiki-tahotra anefa ireo olona ireo nony nentina ho ao an-tranon i Josefa, fa hoy izy: Ilay vola naverina tao anaty lasakantsika, tamin'ilay indray mandeha izao, no handraisany antsika, dia ny hamelezany antsika izany sy hivarinany amintsika, ary hangalany antsika ho andevony mbamin'ny ampondrantsika koa. 19 Dia nanatona an-dralehilahy mpikarakara ny tranon'i Josefa izy ireo, ka niteny taminy teo am-baravaran'ny trano nanao hoe: 20 Aza mahafady, tompokolahy, izahay dia efa nidina nividy vary taty indray mandeha. 21 Nony tonga teo amin'ny toerana handrianay izahay, nanokatra ny lasakanay, ka indreo ny volanay isany, samy teo am-bava-lasakanay avy, sy samy tonga lanja avokoa; dia indro izy entinay miaraka aminay. 22 Ary nitondra vola hafa koa izahay hamidy hanina. Tsy fantatray izay nametraka ny volanay tao anaty lasakanay. 23 Ka hoy izy taminy: Ho aminareo anie ny fiadanana, fa aza matahotra na inona na inona. Ny Andriamanitrareo, ny Andriamanitry ny rainareo no nanome anareo rakitra teo anaty lasakanareo. Fa ny volanareo efa nomena ahy. Dia nentiny nankeo amin'izy ireo Simeona. 24 Nony avy nampandroso azy ireo tao an-tranon'i Josefa ralehilahy dia nanome rano azy, ka nanasa tongotra iry ireo; ny ampondrany koa nomeny vilona. 25 Dia nandamindamina ny zavatra hatolotra aloha izy ireo mandra-pihavin'i Josefa, raha mby amin'ny mitatao vovonana, fa efa nilazana izy fa hoe hihinana ao aminy. 26 Nony tonga tao an-trano Josefa, nampidirin'izy ireo tao an-trano ny fanomezana izay efa mby ao an-tànany, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany izy.

27 Nanadina ny toe-pahasalaman'izy ireo Josefa vao nanao hoe: Tsara ihany va ilay rainareo efa antitra nolazainareo? Mbola velona ihany ve izy? 28 Dia hoy ny navaliny: Tsara ihany ny mpanomponao rainay, ary mbola velona ihany izy. Dia niondrika sy nihohoka izy ireo. 29 Natopin'i Josefa ny masony ka nahita an'i Benjamina rahalahiny, zanaky ny reniny, izy; hoy izy: Io va no zandrinareo faralahy ilay noresahinareo tamiko? Ary hoy izy: Hambinin'Andriamanitra anie hianao, anaka. 30 Izay dia nangotika ny atiny, noho ity rahalahiny, ka nihataka faingana Josefa nitady izay hitomaniany; niditra tany an'efitranony izy dia nitomany. 31 Nosasany aloha ny tavany vao nivoaka avy ao izy; ary notsindriny mafy ny fangorakoraky ny fony, ka hoy izy: Arosoy ny sakafo. 32 Dia naroso manokana ny an'i Josefa, ny an'ireo rahalahiny koa manokana; ny an'ireo Ejipsiana niara-nihinana taminy manokana koa; satria tsy mahazo miara-mihinana amin'ny Hebrio ny Ejipsiana, fa fahavetavetana ho an'ny Ejipsiana izany.

33 Nipetraka teo anatrehan'i Josefa ireo rahalahiny, dia ny lahimatoa araka ny fizokiany, ny faralahy koa araka ny taonany, ka nifampijerijery sady gagagaga izy ireo. 34 Nasainy nitondrana anjara fihinanana avy teo anoloany ihany izy, nefa ny anjaran'i Benjamina dia indimy hoatra ny anjaran-drery tamin'izy rehetra. Ary niara-nisotro divay taminy tamim-piravoravoana izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0358