Ny Jenezy

Toko faha-44

18 Ary tamin'izay Jodà nanatona an'i Josefa ka nanao hoe: Mihanta aminao aho, tompokolahy, mba hahazo alàlana ny mpanomponao hiteny indraim-bava eto anatrehan'ny tompoko, ka aoka tsy hirehitra amin'ny mpanomponao ny fahatezeranao, fa sahala amin'i Faraona hianao.

19 Ny tompolahiko nanontany ny mpanompony hoe: Manan-dray na rahalahy koa va hianareo? 20 Ary izao no navalinay ny tompoko: Manan-dray efa antitra izahay sy zandry farahaly, zanaky ny fahanterany; nanan-drahalahy io zaza io fa efa maty, dia izy irery no sisa tamin'izy iray reny, ka tian-drainy izy. 21 Ary hianao nilaza tamin'ny mpanomponao hoe: Ento midina aty amiko izy mba ho hitan'ny masoko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0357