Ny Jenezy

Toko faha-44

18 Ary tamin'izay Jodà nanatona an'i Josefa ka nanao hoe: Mihanta aminao aho, tompokolahy, mba hahazo alàlana ny mpanomponao hiteny indraim-bava eto anatrehan'ny tompoko, ka aoka tsy hirehitra amin'ny mpanomponao ny fahatezeranao, fa sahala amin'i Faraona hianao.

19 Ny tompolahiko nanontany ny mpanompony hoe: Manan-dray na rahalahy koa va hianareo? 20 Ary izao no navalinay ny tompoko: Manan-dray efa antitra izahay sy zandry farahaly, zanaky ny fahanterany; nanan-drahalahy io zaza io fa efa maty, dia izy irery no sisa tamin'izy iray reny, ka tian-drainy izy. 21 Ary hianao nilaza tamin'ny mpanomponao hoe: Ento midina aty amiko izy mba ho hitan'ny masoko. 23 Hoy hianao tamin'ny mpanomponao: Raha tsy miara-midina aminareo ny zandrinareo, tsy hahita ny tavako intsony hianareo. 24 Ka rahefa tafakatra tany amin'ikaky mpanomponao izahay, dia nambaranay azy ny tenin'ny tompoko. 25 Ary nony avy izay nilazan'ikaky taminay hoe: Mandehàna indray mividiana hanina kely ho antsika; 26 dia izao no navalinay: Tsy mahazo midina izahay; fa raha miaraka aminay ny zandrinay faralahy vao hidina izahay; satria tsy mahazo mahita tava an-dralehilahy akory izahay, raha tsy miaraka aminay ny zandrinay. 27 Ka hoy ikaky mpanomponao taminay: Fantatrareo fa roa lahy no nateraky ny vadiko tamiko; 28 ny iray efa lasa tafasaraka tamiko, ka hoy aho hoe: Tsy maintsy ho voaviraviram-biby izy, satria tsy hitako intsony mandrak'androany. 29 Ary ity iray, raha alainareo koa, ka mahita loza any, dia hampidininareo any amin'ny fonenan'ny maty amin'alahelo, ny voloko fotsy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0773