Ny Jenezy

Toko faha-45

1 Dia tsy nahatsindry fo intsony Josefa teo anatrehan'izay rehetra teo, ka niantso hoe: Avoahy avokoa ny olona rehetra! Ary tsy nisy olona tafajanona intsony teo aminy, raha nitònona anarana tamin'ireo rahalahiny izy.

2 Nanandra-peo izy nitomany ka ren'ny Ejipsiana sy ren'ny tao an-tranon'i Faraona. 3 Hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Izaho no Josefa. Mbola velona ihany va ikaky? Fa tsy nahateny tsy nahavolana ireto rahalahiny, fa very saina loatra teo anatrehany.

4 Ary Josefa nanao tamin'ny rahalahiny hoe: Manatòna eto amiko hianareo, dia nanatona izy, ka hoy izy: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atý Ejipta. 5 Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin'ny tenanareo, noho ny nivarotanareo ahy ho atý, fa hamonjy aina anareo no nampandehanan'Andriamanitra ahy hialoha anareo. 6 Fa efa roa taona izao no nisian'ny mosary amin'ity tany ity; ary mbola dimy taona koa no tsy hiasan-tany, na hijinjàna. 7 Ka nampandehanin'Andriamanitra aho hialoha anareo tsy ho lany tamingana amin'ny tany sy hampaharitra anareo ho amin'ny fanavotana lehibe. 8 Koa amin'izany, tsy hianareo no nampandeha ahy ho atý, fa Andriamanitra. Izy no nanangana ahy ho rain'i Faraona sy ho tompon'ny tranony rehetra ary ho mpanapaka ny tany Ejipta manontolo. 9 Koa miakara faingana hianareo any amin'ikaky ka lazao aminy hoe: Izao no teny nataon'i Josefa zanakao: Natsangan'Andriamanitra ho tompon'i Ejipta manontolo aho, ka midìna ho aty amiko hianao ary aza ela. 10 Fa honina eo amin'ny tany Gesena hianao, dia samy ho eo akaikiko avokoa hianao sy ny zanakao ary ny zanaky ny zanakao, ny ondrinao sy ny ombinao ary ny fanananao rehetra. 11 Ary hamelona anao eo aho, fa mbola haharitra dimy taona ny mosary, mba tsy ho voan'ny fahoriana hianao sy ny ankohonanao ary ny anananao rehetra. 12 Indro mahita maso hianareo izao, mahita maso koa Benjamina rahalahiko, fa ny vavako no miteny aminareo. 13 Koa tantarao amin'ikaky ny voninahitro rehetra aty Ejipta sy izay rehetra efa hitanareo; ary ataovy izay hidinan'ikaky faingana ho aty. 14 Dia namihina ny vozon'i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany, ary Benjamina nitomany teo amin'ny vozony.

15 Ary nanoroka ireo rahalahiny rehetra koa izy, ka nitomany teo am-pamihinana azy. Izay vao niresaka taminy ireto rahalahiny. 16 Niely ny teny tao an-tranon'i Faraona fa hoe: tonga ny rahalahin'i Josefa, ary samy faly amin'izany Faraona sy ny mpanompony.

17 Dia hoy Faraona tamin'i Josefa: Lazao amin'ny rahalahinao hoe: Izao no hataonareo: Ataingeno ny entana ho entin'ny bibinareo, ka mankanesa any amin'ny tany Kanaana. 18 Dia makà ny rainareo sy ny ankohonanareo, ary miverena aty amiko. Fa homeko ny tsara indrindra amin'ny tany Ejipta hianareo, ary hihinana ny menaky ny tany. 19 Omeko fahefana hianao hilaza aminy hoe: Izao no hataonareo: Makà sarety amin'ny tany Ejipta hitondranareo ny vady aman-janakareo, alao ny rainareo dia mankanesa atý. 20 Aza apitrapitra amin'alahelo ny masonareo hijery ny zavatra ilaozanareo, fa izay tsara indrindra atý amin'ny tany Ejipta manontolo no hatolotro anareo hanarananareo fo. 21 Dia nataon'ny zanak'Israely izany. Nomen'i Josefa sarety izy, araka ny teny azony tamin'i Faraona, ary vatsy koa hohaniny eny an-dàlana.

22 Izy rehetra nomeny akanjo indray miova avy; Benjamina nomeny volafotsy telon-jato farantsa sy akanjo indimy miova. 23 Ary rainy kosa nampitondrany ampondralahy folo, nitondra tamin'izay vokatr'i Ejipta tsara indrindra; ampondravavy folo, nitondra vary sy mofo ary hanina ho an-drainy eny an-dàlana. 24 Dia nalefany ny rahalahiny ka niainga izy ireo, ary hoy izy tamin'izy ireo: Aza mifanditra eny an-dàlana hianareo. 25 Nony tafakatra avy any Ejipta izy ireo dia tonga tany amin'i Jakoba rainy, any amin'ny tany Kanaana.

26 Hoy izy taminy: Mbola velona Josefa, ary izy aza no manapaka ny tany Ejipta. Fa tsy nihontsina akory ny fon'i Jakoba, satria tsy nino azy ireo izy. 27 Koa nambaran'izy ireo azy ny teny rehetra nolazain'i Josefa hitondrana azy, dia velombelona terý ny fanahin'i Jakoba rainy. 28 Ka hoy Israely: Aoka, fa mbola velona Josefa zanako, ka handeha aho hahita azy dieny mbola tsy maty.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744