Ny Jenezy

Toko faha-46

1 Dia niainga Israely nitondra izay rehetra nananany. Nony tonga teo Bersabea izy, dia nanolotra sorona tamin'ny Andriamanitr'Isaaka rainy.

2 Ary Andriamanitra niteny tamin'Israely tamin'ny fahitana nony alina, nanao hoe: Ry Jakoba! Ry Jakoba! Ka hoy ny navalin'Israely: Inty aho. 3 Dia hoy Andriamanitra: Izaho no Andriamanitra mahery, dia ny Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra ny hidina any Ejipta, fa hataoko tonga firenena lehibe hianao any. 4 Izaho hiara-midina aminao any Ejipta. Izaho ihany koa no hitondra anao hiakatra indray tokoa avy any, ary ny tànan'i Josefa no hanirina ny masonao. 5 Dia niainga Jakoba ka niala tao Bersabea; ary ny zanak'Israely nametraka an'i Jakoba rainy, mbamin'ny vadiny aman-janany, teo ambonin'ny sarety nalefan'i Faraona hitondrana azy.

6 Nentiny koa ny biby fiompiny sy ny fananany nohariny tany amin'ny tany Kanaana. Dia nankany Ejipta Jakoba mbamin'ny fianakaviany rehetra. 7 Nentiny nankany Ejipta niaraka taminy ny zanany aman-jafiny lahy, sy ny zanany aman-jafiny vavy, mbamin'ny ankohonany rehetra. 28 Dia nalefan'i Jakoba Jodà, hialoha azy ho any amin'i Josefa, hanomana ny hahatongavany any Gesena. Rahefa tonga tany Gesena Jakoba sy ny ankohonany,

29 dia nampamboatra ny kalesiny Josefa ka nitaingina teo hitsena an'Israely rainy any Gesena. Niseho taminy izy, dia niantoraka ka namihina ny vozony, sy nitomany ela teo amin'ny vozony. 30 Ary hoy Israely tamin'i Josefa: Tsy mampaninona ahy intsony ny ho faty amin'izao, fa efa nahita tava anao aho, ary mbola velona ihany hianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0629