Ny Jenezy

Toko faha-46

1 Dia niainga Israely nitondra izay rehetra nananany. Nony tonga teo Bersabea izy, dia nanolotra sorona tamin'ny Andriamanitr'Isaaka rainy.

2 Ary Andriamanitra niteny tamin'Israely tamin'ny fahitana nony alina, nanao hoe: Ry Jakoba! Ry Jakoba! Ka hoy ny navalin'Israely: Inty aho. 3 Dia hoy Andriamanitra: Izaho no Andriamanitra mahery, dia ny Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra ny hidina any Ejipta, fa hataoko tonga firenena lehibe hianao any. 4 Izaho hiara-midina aminao any Ejipta. Izaho ihany koa no hitondra anao hiakatra indray tokoa avy any, ary ny tànan'i Josefa no hanirina ny masonao. 5 Dia niainga Jakoba ka niala tao Bersabea; ary ny zanak'Israely nametraka an'i Jakoba rainy, mbamin'ny vadiny aman-janany, teo ambonin'ny sarety nalefan'i Faraona hitondrana azy.

6 Nentiny koa ny biby fiompiny sy ny fananany nohariny tany amin'ny tany Kanaana. Dia nankany Ejipta Jakoba mbamin'ny fianakaviany rehetra. 7 Nentiny nankany Ejipta niaraka taminy ny zanany aman-jafiny lahy, sy ny zanany aman-jafiny vavy, mbamin'ny ankohonany rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0566