Ny Jenezy

Toko faha-47

1 Dia nankany amin'i Faraona Josefa hilaza izany vaovao izany, ka hoy izy: Tonga avy any amin'ny tany Kanaana ny raiko sy ny rahalahiko mbamin'ny ondriny sy ny ombiny sy izay rehetra ananany; ka indreo izy ao amin'ny tany Gesena.

2 Ary nitondra dimy lahy tamin'ireo rahalahiny izy ho eo anatrehan'i Faraona. 3 Ka hoy Faraona tamin'ireo: Inona no raharahanareo? Ka hoy ireo tamin'i Faraona: Mpiandry ondry toy ny razanay ihany koa, izahay mpanomponao. 4 Dia hoy koa izy tamin'i Faraona: Tonga aty izahay mpanomponao mba hitoetra amin'ity tany ity, fa tsy misy hanina intsony horaotin'ny ondrin'ny mpanomponao, fa mamely mafy ny mosary any amin'ny tany Kanaana. Koa aoka re mba havelanao honina eto amin'ny tany Gesena ny mpanomponao. 5 Dia hoy Faraona tamin'i Josefa: Tonga atý aminao ireto ny rainao sy ny rahalahinao; koa indro eo anoloanao ny tany Ejipta; amponeno amin'izay tany tsara indrindra ny rainao sy ny rahalahinao.

6 Aoka honina amin'ny tany Gesena izy. Ary raha mahita lehilahy mahay amin'izy ireo hianao, tendreo izy ho mpitandrina ny biby fiompiko. 7 Nampanalain'i Josefa Jakoba rainy, ka nasehony an'i Faraona; dia nisaotra an'i Faraona Jakoba.

8 Ary hoy Faraona tamin'i Jakoba: Firy taona ny andro niainanao? 9 Ka hoy Jakoba tamin'i Faraona: Telo-polo amby zato taona no andron ny fivahiniako. Sady fohy no ratsy ny andro niainako, fa tsy nahatratra ny andro niainan'ny razako tamin'ny fivahiniany. 10 Dia nisaotra an'i Faraona indray Jakoba, dia lasa niala teo anatrehany. 11 Koa nampiorim-ponenana an-drainy sy ny rahalahiny Josefa ka nanome azy zara tany, eo amin'ny tany Ejipta, dia ny tsara indrindra amin'ny tany, ao amin'ny faritanin'i Ramsesa, araka ny teny nomen'i Faraona azy.

12 Ary Josefa no nanome hanina an-drainy sy ny rahalahiny mbamin'ny ankohonan-drainy rehetra, araka ny isan-janany avy. 13 Dia tsy nisy hanina intsony tamin'ny tany rehetra, fa mafy dia mafy ny mosary, ka najifa ny tany Ejipta sy ny tany Kanaana, azon'ny mosary.

14 Lasan'i Josefa tamin'ny vidim-bary novidin'ny olona avokoa ny vola tany amin'ny tany Ejipta sy tany amin'ny tany Kanaana, ka nampidiriny tao an-tranon'i Faraona izany vola izany. 15 Nony lany avokoa ny vola tany amin'ny tany Ejipta sy tany amin'ny tany Kanaana, dia nankany amin'i Josefa ny Ejipsiana rehetra nanao hoe: Omeo hanina izahay. Aiza ka dia ho faty eto anatrehanao izahay, fa tapitra ny volanay! 16 Ary hoy Josefa: Rehefa lany ny volanareo, ny biby fiompinareo entina; hotakalozako hanina ny biby fiompinareo. 17 Dia nentiny nankany amin'i Josefa ny biby fiompiny, ary nomen'i Josefa hanina izy ho takalon' ny soavaliny, sy ny andian'ondry aman'ombiny ary ny ampondrany. Nomeny hanina izy tamin'izany taona izany ho takalon'ny biby fiompiny rehetra. 18 Nony tapitra izany taona izany, dia nankeo amin'i Josefa indray izy ireo, tamin'ny taona manaraka, nanao taminy hoe: Tsy hafeninay amin'ny tompoko, fa ny vola efa lany, ny andiam-biby fiompy efa lasan'ny tompoko avokoa; ny tenabenay sy ny taninay sisa eto imason'ny tompoko.

19 Kanefa aiza ka dia ho faty eto anatrehanao izahay sy ny taninay! Takalozy hanina ny tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon'i Faraona izahay sy ny taninay. Ary omeo voa hafafy izahay mba ho velona fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany. 20 Dia lasan'i Josefa ho an'i Faraona ny tany Ejipta manontolo; fa ny Ejipsiana samy nanakalo ny sahany avy, fa resi-mosary, any ka tonga fananan'i Faraona ny tany. 21 Dia nafindrany ny vahoaka ho any amin'ny tanàna eran'ny tany Ejipta rehetra. 22 Ny tanin'ny mpisorona no hàny sisa tsy lasany, fa nanana anjara hanina tamin'i Faraona ny mpisorona, ka nisy hivelomany, izay anjara nomen'i Faraona azy, izany no tsy mba nanakalozany ny taniny. 23 Dia hoy Josefa tamin'ny vahoaka: Voavidiko androany ho an'i Faraona hianareo sy ny taninareo. Koa indreny ny voa hafafinareo dia fafazo ny tany. 24 Rahefa tonga ny vokatra, ny ampahadiminy moa haterinareo ho an'i Faraona; ny efa-toko kosa misy hafafinareo amin'ny tany ary misy hivelomanareo sy ny ankohonanareo, sy hiveloman'ny zanakareo. 25 Ka hoy ny olona: Hianao no namonjy ny ainay. Hahita fitia eo imason itompokolahy anie izahay ary ho mpanompon'i Faraona izahay. 26 Dia nataon'i Josefa lalàna izany amin'ny tany Ejipta, ka mbola velona mandrak'androany, ka araka izany lalàna izany dia an'i Faraona ny ampahadimin'ny vokatry ny tany any Ejipta, fa ny tanin'ny mpisorona ihany no hàny tsy azy. 27 Nonina tany Ejipta amin'ny tany Gesena Israely ka nahazo fananana tany izy ireo, ary nihamaro anaka sy nihabetsaka indrindra.

28 Fito ambin'ny folo taona no andro niainan'i Jakoba tany amin'ny tany Ejipta. Ary fito amby efa-polo amby zato taona ny andro niainany rehetra.

29 Nony efa akaiky ny fara andron'Israely dia nampaka an'i Josefa zanany izy, nanao taminy hoe: Raha mba nahita fitia teo imasonao koa aho, masìna hianao, ataovy ato ambany feko ny tànanao, ataovy amiko amin-kazavam-po sy fahamarinana izao: aza alevina atý Ejipta aho, 30 fa raha avy izay hodiako mandry any amin'ny razako, ento miala atý Ejipta aho, ka aleveno any amin'ny fasan'izy ireo. Dia hoy ny navalin'i Josefa: Eny, hotanterahiko ny teninao. 31 Ary hoy Jakoba: Mianiàna àry amiko. Dia nianiana taminy Josefa ka niankohoka Israely teo an-doha farafara.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0979