Ny Jenezy

Toko faha-49

29 Rahefa izany, izao no hafatra napetrany tamin'izy ireo: Efa hakambana any amin'ny razako aho izao, ka aleveno any amin'ny razako, anatin'ny zohy izay ao amin'ny sahan'i Efrona, Heteana;

30 anatin'ny zohy amin'ny saha Makpelà, tandrifin'i Mambre, any amin'ny tany Kanaana: dia izay novidin'i Abrahama mbamin'ny saha, tamin'i Efrona, Heteana, hananany fasana ho azy. 31 Tao no nandevenana an'i Abrahama sy Sarà vadiny. Tao no nandevenana an'Isaaka sy Rebekà vadiny. Ary tao no nandevenako an'i Lià. 32 Tamin'ny taranak'i Heta, no nividianana ny saha mbamin'ny zohy ao aminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0341