Ny Jenezy

Toko faha-6

5 Hitan'ny Tompo fa be ny faharatsian'ny olona tambonin'ny tany, ary ny ratsy ihany no alehan'ny fisainana rehetra avy amin'ny fony isan'andro.

6 Ka nanenina Iaveh tamin'ny nahariany ny olombelona tambonin'ny tany; ary nalahelo tao am-pony izy, 7 ka hoy izy hoe: Haringako tsy ho eo ambonin'ny tany ny olombelona nohariko, hatramin'ny olombelona ka hatramin'ny biby fiompy, ny biby mikisaka sy ny voro-manidina, fa manenina aho noho ny nanaovako azy. 8 Noe kosa anefa dia nahita fitia teo imason'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1116