Ny Jenezy

Toko faha-7

1 Hoy Iaveh tamin'i Noe: Midira ao an-tsambo fiara hianao sy ny ankohonanao rehetra, fa amin'izao olona miara-belona aminao izao, dia hianao no hitako ho olo-marina eo anatrehako.

2 Ny biby madio rehetra dia fito tsiroaroa avy, lahy sy vavy, no halainao ho ao aminao; ary ny biby tsy madio kosa dia roa avy, lahy sy vavy, no halainao; 3 ny voro-manidina koa, fito tsiroaroa avy, mba hampaharitra ny karazany tsy ho faty eto ambonin'ny tany, lahy sy vavy. 4 Fa fito andro sisa dia handatsaka ranonorana amin'ny tany aho, mandritra ny efa-polo andro sy efa-polo alina; ka hofongorako eo ambonin'ny tany ny zavatra rehetra nataoko. 5 Notanterahin'i Noe avokoa izay rehetra nasain'ny Tompo hataony.

6 Efa enin-jato taona izy tamin'ny nahatongavan'ny safo-drano nanafotra ny tany. 7 Niditra tao an-tsambo fiara Noe mbamin'ny zanany sy ny vadiny ary ny vinantovaviny mba tsy ho tratry ny safo-drano. 8 Ny biby madio sy ny tsy madio, ny vorona sy izay rehetra mikisaka amin'ny tany; 9 dia samy nanatona tsiroaroa, lahy sy vavy, nankao amin'i Noe, ao an-tsambo fiara, araka ny nandidian'Andriamanitra an'i Noe. 10 Ary nony afaka fito andro dia nibosasaka teto ambonin'ny tany ny safo-drano. 11 Tamin'ny taona fahenin-jato niainan'i Noe, tamin'ny volana faharoa, andro fahafito ambin'ny folo dia nipoitra ny loharano rehetra avy any amin'ny hantsana lehibe, nivoha ny vavahadin-dranon'ny lanitra,

12 ary nilatsaka tamin'ny tany ny ranonorana nandritra ny efa-polo andro sy efa-polo alina. 13 Tamin'izay andro izay dia niditra tao an-tsambo fiara Noe, nomban'i Sema sy Kama ary Jafeta, zanakalahin'i Noe, ary ny vadin'i Noe, sy ny vinantovaviny telo niaraka taminy; 14 dia izy ireo sy ny biby rehetra isan-karazany, ny biby fiompy rehetra isan-karazany, ny biby rehetra mikisaka amin'ny tany isan-karazany, ary ny voro-manidina rehetra isan-karazany, ny voronkely, ny manan'elatra rehetra. 15 Nanatona tsiroaroa izy ireo avy amin'ny nofo rehetra manam-pofon'aina nankeo amin'i Noe tao an-tsambo fiara. 16 Lahy sy vavy avy amin'ny nofo rehetra no tonga izy araka ny nandidian'Andriamanitra an'i Noe. Dia narindrin'ny Tompo teo ivohony ny varavarana. 17 Naharitra efa-polo andro teo amin'ny tany ny safo-drano. Nitombo be ny rano dia naingainy ny sambo fiara, ary nisavoana tambonin'ny tany. 18 Mbola nitombo ny rano, ka nisondrotra dia nisondrotra tao amin'ny tany, ary ny sambo fiara nitsinkafona teny ambonin'ny rano. 19 Nony efa nisondrotra teo ihany ny rano dia voasarony avokoa ny tendrombohitra avo rehetra, tambanin'ny lanitra manontolo. 20 Ka tafasondrotra dimy ambin'ny folo hakiho nihoatra ny tendrombohitra voasarony izy. 21 Maty avokoa ny nofo rehetra mihetsiketsika eto ambonin'ny tany ary ny olombelona rehetra. 22 Maty daholo rahefa mety ho zavatra mitoetra amin'ny tany maina, rahefa mety ho zava-manam-pofon'aina teo am-bavorony. 23 Ringana avokoa rahefa mety ho zavatra tambonin'ny tany, hatramin'ny olombelona ka hatramin'ny biby fiompy sy ny zava-mikisaka mbamin'ny vorona eny amin'ny habakabaka; levona tsy nisy teto an-tany intsony izany; fa Noe sy ireo niara-nitoetra taminy tao an-tsambo fiara ihany no sisa. 24 Dimam-polo amby zato andro no nahatondraka ny rano tambonin'ny tany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0366