Ny Jenezy

Toko faha-8

6 Nony afaka efa-polo andro, Noe dia namoha ny varavarankely nataony tamin'ny sambo fiara,

7 ka nandefa ny goaika izay lasa nivaoka nefa niverimberina teo, mandra-paharitra ny rano tambonin'ny tany. 8 Ny voromailala indray no nalefany hiala teo aminy, hahitany na efa nihena ny rano tambonin'ny tany na tsia. 9 Tsy nahita izay hipetrahan'ny faladiany anefa ny voromailala, ka niverina nankeo amin'i Noe teo amin'ny sambo fiara, fa mbola nisy rano hatraiza hatraiza tambonin'ny tany. Dia naninjitra ny tànany izy ka nandray azy sy nampiditra azy ho ao aminy, ao anatin'ny sambo fiara. 10 Mbola niandry hafitoana indray izy, vao nandefa fanindroany ny voromailala ho any ivelan'ny sambo fiara. 11 Ary niverina nankeo aminy ny voromailala nony harivariva, ary indro ravin'oliva nilenodenoka anankiray teny am-bavany, ka fantatr'i Noe fa efa tsy voasaron'ny rano intsony ny tany. 12 Mbola niandry hafitoana indray izy dia nandefa ny voromailala ary tsy niverina nankeo aminy intsony izy. 13 Tamin'ny taona faharaika amby enin-jato, tamin'ny volana voalohany, andro voalohan'ny volana, dia ritra ny rano teo ambonin'ny tany. Nesorin'i Noe ny tafon'ny sambo fiara, dia nijery izy, ka hitany fa efa maina ny vohon'ny tany. 20 Ary Noe dia nanorina otely ho an'ny Tompo, ka naka tamin'ny biby madio rehetra mbamin'ny vorona madio rehetra, dia nanolotra sorona dorana teo ambony otely.

21 Dia nandre hanitra mahafinaritra Iaveh ka Iaveh nanao anakampo hoe: Tsy hanozona intsony ny tany aho noho ny olona; fa ratsy hatramin'ny fahatanorany ny fisainan'ny fon'ny olombelona; ary tsy mba hamono ny zavatra manan'aina rehetra toy izay nataoko izay intsony aho. 22 Amin'izao sisa izao, raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy ho tapaka ny famafazana sy ny fijinjana, ny hatsiaka sy ny hafanàna, ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1653