Ny Jenezy

Toko faha-9

1 Dia nitso-drano an'i Noe sy ny zanany lahy Andriamanitra, ka nanao taminy hoe: Miteraha maro, mihabetsaha ary mamenoa ny tany.

2 Hatahotra anareo sy himalo avokoa ny bibin'ny tany rehetra, ny vorona eny amin'ny habakabaka rehetra, ny zava-mihetsiketsika rehetra ambonin'ny tany, mbamin'ny hazandrano rehetra anaty ranomasina; efa natolotra eo an-tànanareo ireny. 3 Ho fihinana ho anareo avokoa rahefa mety ho zava-mihetsiketsika sy manana aina; fa omeko anareo daholo izany rehetra izany, toy ny efa nanomezako anareo ny zava-maitso. 4 Kanefa ny nofo aza haninareo miaraka amin'ny aina, izany hoe ny rany. 5 Ary ny ranareo dia hasaiko hampamoaka noho ny ainareo, hampamoahiko izany avokoa ny biby rehetra; ny tànan'olombelona, ny tànan'olombelona izay mpirahalahy no hampamoahiko ny ain'ny olombelona. 6 Ka na zovy na zovy handatsaka ran'olona, dia mba halatsak'olona koa ny rany, satria nataon'Andriamanitra mitovy tarehy aminy ny olombelona. 7 Ka dia miteraha maro hianareo, mihabetsaha hianareo, mieleza eran'ny tany, ka mihabetsaha eny. 8 Hoy koa Andriamanitra tamin'i Noe sy ny zanany niaraka taminy:

9 Ary izaho kosa dia hanao fanekem-pihavanana aminareo sy amin'ny taranaka mandimby anareo, 10 amin'ny zava-manana aina rehetra izay eo aminareo, na vorona, na biby fiompy, sy ny bibin'ny tany rehetra, hatramin'izay nivoaka avy tao an-tsambo fiara ka hatramin'ny biby rehetra ambonin'ny tany. 11 Manao fanekem-pihavanana aminareo aho: tsy hisy levon'ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano handringana ny tany intsony. 12 Dia hoy Andriamanitra: Ity no famantaran'ny fanekena nataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin'ny zava-manana aina rehetra izay ao aminareo, amin'ny taranaka ho avy rehetra: 13 Nataoko eo amin'ny rahona ny avako, ka ho tonga famantaran'ny fanekena amiko sy amin'ny tany. 14 Ka rahefa hampiangona rahona ambonin'ny tany aho, dia hiseho eo amin'ny rahona ny avana. 15 Ka hotsarovako ny fanekena misy amiko sy aminareo mbamin'ny zava-manana aina rehetra, ny nofo rehetra, ka dia tsy hisy rano hanjary safo-drano mandringana ny nofo rehetra intsony. 16 Ho eo amin'ny rahona ny avana, ka ny fijerena azy dia hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay amin'Andriamanitra sy amin'ny zava-manana aina rehetra, ny nofo rehetra, ambonin'ny tany. 17 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Noe: Inona àry no famantaran'ny fanekena naoriko amiko sy amin'ny nofo rehetra ambonin'ny tany. 18 Ny zanak'i Noe nivoaka tao an-tsambo fiara dia Sema sy Kama ary Jafeta; ary Kama no rain'i Kanaana.

19 Izy telo lahy ireo no zanak'i Noe, ary avy amin'izy ireo ny olo-monina amin'ny tany rehetra. 20 Mpiasa tany Noe, ka nanomboka namboly voaloboka izy.

21 Nony nisotro divay dia mamo sy niboridana nanary lamba tao an-dainy izy. 22 Nahita ny fitanjahan-drainy Kama, rain'i Kanaana, ka lasa nivoaka nilaza izany tamin'izy roa lahy rahalahiny. 23 Fa noraisin'i Sema sy Jafeta kosa ny lamba, nasampiny tamin'ny sorony, dia nanao dia mianotra izy, ka nandrakotra ny fitanjahan-drainy. 24 Niamboho ny tavan'izy ireo, ka tsy nahita izay fitanjahan-drainy. Nony nahatsiaro tamin'ny hamamoany Noe dia nahare izay nataon-janany farahaly taminy, 25 ka hoy izy: Ho voaozona anie Kanaana, Ho andevon'ny andevo izy, amin'ny rahalahiny. 26 Hoy indray izy: Isaorana anie Iaveh Andriamanitr'i Sema, Ary aoka ho andevony Kanaana.

27 Hataon'Andriamanitra malalaka anie Jafeta. Aoka izy honina ao an-dain'i Sema. Ary aoka ho andevony Kanaana. 28 Mbola velona dimam-polo sy telon-jato taona Noe taorian'ny safo-drano.

29 Ary dimam-polo sy sivin-jato taona ny andro rehetra niainan'i Noe, dia maty izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0936