Ny Jenezy

Toko faha-9

8 Hoy koa Andriamanitra tamin'i Noe sy ny zanany niaraka taminy:

9 Ary izaho kosa dia hanao fanekem-pihavanana aminareo sy amin'ny taranaka mandimby anareo, 10 amin'ny zava-manana aina rehetra izay eo aminareo, na vorona, na biby fiompy, sy ny bibin'ny tany rehetra, hatramin'izay nivoaka avy tao an-tsambo fiara ka hatramin'ny biby rehetra ambonin'ny tany. 11 Manao fanekem-pihavanana aminareo aho: tsy hisy levon'ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano handringana ny tany intsony. 12 Dia hoy Andriamanitra: Ity no famantaran'ny fanekena nataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin'ny zava-manana aina rehetra izay ao aminareo, amin'ny taranaka ho avy rehetra: 13 Nataoko eo amin'ny rahona ny avako, ka ho tonga famantaran'ny fanekena amiko sy amin'ny tany. 14 Ka rahefa hampiangona rahona ambonin'ny tany aho, dia hiseho eo amin'ny rahona ny avana. 15 Ka hotsarovako ny fanekena misy amiko sy aminareo mbamin'ny zava-manana aina rehetra, ny nofo rehetra, ka dia tsy hisy rano hanjary safo-drano mandringana ny nofo rehetra intsony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1155