Bokin'i Jeremia

Toko faha-10

1 Henoy ny teny lazain'ny Tompo aminareo, ry taranak'Israely: Izao no lazain'ny Tompo:

2 Aza mianatra ny làlan'ny firenena, ary aza mety matahotra izay famantarana eny an-danitra, toy ny atahoran'ny firenena azy.

3 Fa zava-poana ny fanaon'ny firenena; hazo nokapaina tany an'ala, taozavatra nataon'ny tànan'ny mpisokitra, sary tamin'ny fandraka,

4 ka ravahana amin'ny volafotsy sy volamena. Homboana amin'ny fantsika, velezina amin'ny tantànana izany mba tsy hihetsiketsika,

5 Sahala amin'ny andro voavaofy tamin'ny milina fandrafetana ireny andriamanitra ireny ka entin'ny olona, fa tsy afa-mandeha. Aza matahotra an'ireny, fa tsy mahay manisy ratsy izy; ary indrindra koa tsy mahay manisy soa.

6 Tsy misy toa anao Iaveh ô; lehibe hianao, ary lehibe amin-kery ny anaranao.

7 Zovy no tsy hatahotra anao; ry mpanjakan'ny firenena ô, hianao tsy maintsy atahorana. Fa amin'ny hendry rehetra eo amin'ny firenena, sy eo amin'ny fanjakany rehetra, tsy misy tahaka anao.

8 Adala sy kentrina avokoa izy rehetra; fampianaran-java-poana; dia hazo!

9 Volafotsy voatefy avy any Tarsisa, volamena avy any Ofaza; asan'ny mpisokitra sary, asan-tànan'ny mpanefy volamena! Tafina jaky volomparasy sy mena izany; asan-tànan'ny mpahay zavatra avokoa izy ireny.

10 Fa Iaveh kosa dia tena Andriamanitra tokoa; izy dia Andriamanitra velona, sy Mpanjaka mandrakizay; ny tany mihorohoro amin'ny fahatezerany; ary ny firenena tsy mahatanty ny fahavinirany.

11 Izao no holazainareo amin'ireny: Ireo andriamanitra tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia hofongorana eto an-tany sy aty ambanin'ny lanitra.

12 Fa izy no nanao ny tany tamin'ny heriny; nampiorina izao tontolo izao, tamin'ny fahendreny; ary namelatra ny lanitra tamin'ny fahaizany.

13 Raha miteny izy, dia miangona eny an-danitra ny rano; mampiakatra ny rahona, avy any amin'ny faran'ny tany; mampanjelatra ny helatra izay ihavian'ny ranonorana mivatravatra; ary mamoaka ny rivotra avy ao amin'ny fatahirizany.

14 Kentrina avokoa ny olona na iza na iza, sady very hevitra; menatra noho ny amin'ny sampiny koa ny mpanao azy, fa fitaka foana ny sary anidina nataony, tsy manam-pofon'aina akory ireny.

15 Zava-poana sy asa famitahana ireny; ho levona izy amin'ny andro famaliana azy ireo.

16 Tsy mba toy izany ny anjaran'i Jakoba; fa Izy dia ilay namorona an'izao rehetra izao; ary Israely no firenena lovany; Iaveh'ny tafika no anarany.

17 Angony ny entanao amin'ny tany, ry ilay afahirano!

18 Fa izao no lazain'ny Tompo: Indro hatsipiko lavitra amin'izao ny mponina amin'ny tany, hotereko mafy izy, mba ho tratry ny fahavalo.

19 Loza ho ahy noho ny fahamanganako: manaintaina ny feriko; nefa hoy aho: Eny, anjara fahoriako izao, ka hozakaiko.

20 Ny laiko rava; ny kofehindaiko, tapaka avokoa; ny zanako nandao ahy, tsy misy intsony izy ireo; tsy misy olona intsony, hanangana indray ny laiko, sy hanorina indray ny tranolaiko.

21 Indrisy, kentrina ireo mpiandry ondry; tsy nitady an'ny Tompo izy; koa tsy nambinina akory izy, dia naely avokoa ny biby andrasany.

22 Misy tsaho sy siosion-teny! Injany tamy izy, misy tabataba be avy any amin'ny tany avaratra, hanova ny tanànan'i Jodà ho efitra, sy fieren'amboadia!

23 Fantatro ry Iaveh ô, fa tsy ny olombelona no tompon'ny làlany, tsy mba an'ny olona mandeha, ny manitsy ny diany.

24 Iaveh ô, faizo aho, nefa aoka ho ara-drariny, fa tsy ho araka ny hatezeranao, ka ataonao zary tsinontsinona aho.

25 Ny firenena tsy mahalala anao no rotsahy ny fahatezeranao, dia ny vahoaka tsy miantso ny anaranao; fa nolaniany Jakoba dia nolaniany, vitainy izy, ary ny fonenany ravany!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.037