Bokin'i Jeremia

Toko faha-13

1 Izao no nolazain'ny Tompo tamiko: Mandehana mividy fehin-kibo rongony madinika ho anao; ka ataovy amin'ny valahanao fa aza atao anaty rano.

2 Dia nividy ny fehin-kibo araka ny tenin'ny Tompo aho, ka nataoko tamin'ny valahako. 3 Tonga tamiko fanindroany indray ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

4 Ento ilay fehin-kibo novidinao, izay efa eo amin'ny valahanao; ka mitsangàna, mandehana mankany Eofrata, afeno any, ao an-tsefatsefaky ny vatolampy izy. 5 Dia nandeha aho, ka nafeniko tao amoron'ny Eofrata izy, araka ny nandidian'ny Tompo ahy. 6 Nony afaka andro maro be, dia hoy Iaveh tamiko: Mitsangàna hianao, mandehana mankany Eofrata, alao ilay fehin-kibo nasaiko nafeninao any. 7 Dia nandeha nankany Eofrata aho, ka nihady, dia naka ilay fehin-kibo teo amin'ny fitoerana nanafenako azy; kanjo indrý, simba tsy azo atao na inona na inona intsony, ilay fehin-kibo. 8 Ary tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe: 9 Izao no lazain'ny Tompo: Toy izany no hahafoanako ny avonavon'i Jodà, sy ny avonavon-dehiben'i Jerosalema.

10 Ity vahoaka ratsy ity, izay tsy mety mihaino ny teniko, fa mandeha amin'ny ditran'ny fony, sy manaraka andriamani-kafa, mba hanompo azy sy hivavaka aminy, dia ho tahaka ity fehin-kibo ity tsy azo atao na inona na inona intsony ity.

11 Satria toy ny firaikitry ny fehin-kibo amin'ny valahan'ny olona, no nandraiketako ny taranak'Israely rehetra sy ny taranak'i Jodà rehetra tamiko, - teny marin'ny Tompo, mba ho vahoaka ho ahy izy ireo mba ho anarana, ho haja, ho voninahitra, nefa tsy nihaino ahy izy.

12 Lazao azy ireo izao teny izao: Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Rahefa mety ho siny tsy maintsy ho fenoina divay. Fa izy ireo hamaly anao hoe: Moa tsy fantatray va, fa rahefa mety ho siny tsy maintsy ho fenoina divay?

13 Ary hianao kosa hanao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Indro ho fenoiko hamamoana, ny mponina rehetra amin'ity tany ity, mbamin'ny mpanjaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, ny mpisorona amam-paminany, ary ny mponina rehetra ao Jerosalema.

14 Ary hampifandoniko ho vaky izy ireo, dia ny ray mbamin'ny zanany rehetra, - teny marin'ny Tompo; ka tsy hotsitsiko, tsy hananako antra, tsy hamindrako fo tsy haharingana azy izy.

15 Mihainoa, ary atongilano ny sofinareo, aza miavonavona, fa miteny Iaveh.

16 Manomeza voninahitra an'ny Tompo Andriamanitrareo, dieny tsy mbola tonga ny aizina, dieny tsy mbola mipoka amin'ny tendrombohitry ny alina ny tongotrareo dieny mbola tsy novany ho aloky ny fahafatesana ny mazava andrasanareo, ary tsy mbola nampanjariny ho aizim-pito.

17 Raha tsy mihaino izany hianareo, dia hitomany mangingina ny fanahiko noho ny fiavonavonanareo; hamarin-dranomaso mangidy ny masoko, hanao ranomaso havozona aho, satria ho lasan-ko babo ny ondrin'i Jakoba.

18 Lazao amin'ny mpanjakalahy sy mpanjakavavy hoe: Mipetraha hianareo amin'ny tany, fa nianjera avy eny an-dohanareo ny satro-boninahitrareo.

19 Ny tanàna amin'ny tany atsimo, voahidy ary tsy misy mpamoha azy; Jodà manontolo lasan-ko babo; ka tanteraka indrindra ny fambaboana.

20 Atopazo ny masonao, ka jereo irery avy avaratra: Nankaiza ny andian'ondry nomena anao, dia ireo ondry voninahitrao?

21 Hanao ahoana kosa hianao, rahefa tendren'ny Tompo ho tomponao ireo nampianarinao hamely anao - ireo mpifankazatra aminao! Moa tsy hahazo anao va ny fanaintainana, toy ny an'ny vehivavy raha miteraka?

22 Raha tahiny hianao manao anakampo hoe: Nahoana aho no dia nidiran-doza toy izao? ... Dia ny haben'ny helokao, no antony nanaingana ny moron-tongotr'akanjonao, sy nandratràna ny ombalahin-tongotrao.

23 Hahova ny hodiny va ny Etiopiana, hahova ny sorany va ny leoparda? Ary hianareo va hety hanao ny tsara dia hianareo nozarina hanao ratsy?

24 Haeliko hoatra ny mololo indaosin' ny rivotra mifofofofo avy any an'efitra izy ireo.

25 Izany no anjaranao, anjara voalanjako, ho anao, - teny marin'ny Tompo, satria hianao nanadino ahy, sy nitoky tamin'ny lainga.

26 Ary izaho kosa dia hanainga ho eny amin'ny tavanao ny morotongotr'akanjonao, hahitan'ny olona ny mahafa-baraka anao.

27 Ny fijangajanganao, ny fanenonao, ny fanoloranao vatana ho amin'ny asa vetaveta, eny amin'ny havoana, eny an-tsaha eny, ny fahavetavetanao rehetra dia hitako avokoa. Loza ho anao, ry Jerosalema! Maloto hianao, ka mbola haharitra mandra-pahoviana izany?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0813