Bokin'i Jeremia

Toko faha-14

1 Tenin'ny Tompo tonga tamin'i Jeremia, ny amin'ny fahamainan'ny tany.

2 Misaona Jodà, miferin'aina ny vavahadiny, mandry amin'ny tany izy efa rera-po, ary miakatra ny fitarainan'i Jerosalema.

3 Irahin'ny lehibe haka rano ny madinika, dia mankany amin'ny lavaka famorian-drano ireo, fa tsy mahita rano; ka miverina mitondra siny foana; menatra sy mangaihay, ary misaron-doha foana.

4 Noho ny tany vaky entana, azon'ny tsy fisian'ny orana amin'ny tany, dia mangaihay ny mpiasa, ka misaron-doha.

5 Ny serfavavy any an-tsaha aza, aterany ny zanany dia ilaozany, noho ny tsy fisian'ny ahitra.

6 Ny ampondra dia, mijanona eny amin'ny havoana, manimbolo rivotra hoatra ny amboadia; manjambena ny masony, noho ny tsy fisian'ny zava-maitso.

7 Ry Iaveh ô, na dia miampanga anay aza ny helokay, aoka hanao ihany hianao ho voninahitry ny anaranao; fa maro ny hadisoanay; nanota taminao izahay.

8 Hianao ilay fanantenan'Israely, sy mpanafaka azy amin'ny andro fahoriana, nahoana no dia tahaka ny vahiny amin'ny tany, sy tahaka ny mpandeha manorin-day handry amin'ny alina?

9 Nahoana hianao no ho tahaka ny olona very hevitra, tahaka ny lehilahy mahery tsy afa-manafaka? Kanefa eto afovoanay no itoeranao, ry Iaveh; ny anaranao no antsoina hiaro anay; aza dia ilaozanao izahay ! -

10 Izao no lazain'ny Tompo ny amin'ity vahoaka ity: Eny, ny hirenireny atsý arý no tiany, ka tsy mahatana ny tongony izy. Tsy nankasitraka azy intsony Iaveh; dia indro hotsaroany amin'izao ny helony ary hovaliany ny fahotany.

11 Dia hoy Iaveh tamiko: Aza mangataka ho an'ity vahoaka ity.

12 Rahefa hifady hanina izy, tsy ho henoiko ny fitarainany, rahefa hanolotra sorona dorana amam-panatitra ho ahy izy, tsy ankasitrahako; fa tiako haripaka izy amin'ny sabatra, ny mosary, sy ny areti-mandringana.

13 Ka hoy aho namaly: Indrisy, ry Iaveh Tompo ô, indreto ny mpaminany milaza amin'izy ireo hoe: Tsy hahita sabatra hianareo, ny mosary tsy hisy, fa homeko fiadanana azo antoka tsara amin'ity fiainana ity!

14 Dia hoy Iaveh tamiko: Lainga vinanin'ny mpaminany amin'ny anarako izany; fa izaho tsy naniraka azy, na nanome didy azy; na niteny taminy... Fahitana mandainga, vinany foana, ary fitaky ny fony, izany no faminaniany aminareo.

15 Koa izao no lazain'ny Tompo: Ny amin'ireo mpaminany, maminany amin'ny anarako ireo, izay tsy nirahiko, ka milaza hoe: Tsy hisy sabatra na mosary amin'ity tany ity! dia sabatra ama-mosary indrindra no handringana ireo mpaminany ireo!

16 Ny olona aminaniany koa: hatsipy eny an-dalamben'i Jerosalema, fa matin'ny mosary sy ny sabatra ka tsy hisy olona handevina azy, na ny tenany, na ny vadiny, na ny zanany lahy aman-janany vavy, fa harotsako amin'izy ireo ny haratsiany.

17 Ary lazao azy ireo izao teny izao: Ny masoko handrotsa-dranomaso andro aman'alina tsy tapaka, fa ny virjiny zanakavavin'ny vahoakako, dia efa hiharan-doza lehibe, sy fery mampanaintaina fatratra.

18 Raha mankany an-tsaha aho, dia indreto olona voagorobaky ny sabatra; raha miditra ao an-tanàna, dia inty ny fahoriana avy amin'ny mosary. Ny mpaminany amam-pisorona avy no mirenireny any amin'ny tany tsy fantany.

19 Dia narianao avokoa va Jodà? Efa naharikoriko ny fanahinao va Siona? Nahoana no dia kapohanao tsy manam-pahasitranana izahay? Niandry fiadanana izahay, nefa tsy misy soa kely akory. Niandry fotoam-pahasitranana, kanjo fampitahorana no mitranga.

20 Ry Iaveh ô, miaiky ny haratsianay izahay, sy ny heloky ny razanay; fa nanota taminao izahay.

21 Noho ny anaranao, aza dia atao tsinontsinona, aza dia hamavoina ny seza fiandrianan'ny voninahitrao. Tsarovy fa aza tsoahana ny fanekenao taminay.

22 Mba misy mahalatsak'orana va ny sampy foanan'ny firenena? sa ny lanitra no manome ny ranonorana? Fa tsy hianao ihany, ry Iaveh Andriamanitray? Koa hianao no antenainay, satria hianao no manao izany rehetra izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1088