Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Jeremia

Jeremia toko 1, 4-5,17-19,

       <4Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:
       5Efa fantatro talohan'ny namoronana anao tao am-bohoka hianao,
ary raha mbola tsy naloaky ny kibon-dreninao hianao, dia efa nohamariniko;
notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena. 17Fa hianao kosa: misikìna,
mitsangàna ary lazao aminy
izay rehetra handidiako anao.
Aza mangovitra eo anatrehany,
fandrao ataoko mangovitra eo anatrehany hianao.
       18Indro aho anio manao anao ho tanàna mimanda,
andry vy ary manda varahana,
eo anatrehan'ny tany rehetra,
eo anatrehan'ny mpanjakan'i Jodà, sy ny mpanapaka eo aminy,
eo anatrehan'ny mpisorony, eo anatrehan'ny vahoakany.
       19Hiady aminao izy ireo,
nefa tsy hahefa na inona na inona aminao,
satria momba anao aho,
hamonjy anao aho; - teny marin'ny Tompo. >