Bokin'i Jeremia

Toko faha-21

1 Izao no teny avy amin'ny Tompo natao tamin'i Jeremia, raha nirahin'i Sedesiasa mpanjaka, ho any aminy, Fasora zanak'i Melkiasa sy Sofoniasa mpisorona, zanak'i Maasiasa, hanao aminy hoe:

2 Masìna hianao, manontania an'ny Tompo ho anay; fa miady aminay Nabokodonozora mpanjakan'i Babilona; angamba Iaveh hanao indray ho anay ireo asany mahagaga lehibe rehetra, mba hialan'ilay io aminay. 3 Dia hoy ny navalin'i Jeremia azy ireo: Lazao amin'i Sedesiasa, ataovy hoe:

4 Izao no lazain'ny Tompo, Andriamanitr'Israely: Indro, ny fiadiana eny an-tànanareo, entinareo miady any ivelan'ny manda, amin'ny mpanjakan'i Babilona sy ny Kaldeana, izay manao fahirano anareo, dia hataoko miverina any aoriana sy hangoniko eo afovoan'ny tanàna; 5 ary izaho hiady aminareo amin'ny tànana ahinjitra sy sandry mahery amim-pahatezerana, fisafoahana sy fahavinirana mafy. 6 Hasiako avokoa ny mponina amin'ity tany ity, na olona na biby, ka ho fatin'ny pesta mafy. 7 Manaraka izany, - teny marin'ny Tompo, - hatolotro Sedesiasa mpanjakan'i Jodà, ny mpanompony, ny vahoaka, mbamin'izay rehetra sisa tsy matin'ny pesta sy ny sabatra ary ny mosary, amin'ity tanàna ity, ho eo an-tànan'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, sy ho eo an-tànan'ny fahavalony amam-pitady ny ainy, ka hasiany amin'ny lelan-tsabatra, tsy hotsitsiny, tsy hananany antra na indrafo akory. 8 Dia lazao amin'io vahoaka io hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Indro ataoko eo anoloanareo, ny làlan'ny fiainana sy ny làlan'ny fahafatesana.

9 Izay mbola hitoetra amin'ity tanàna ity dia ho fatin'ny sabatra na ny mosary na ny pesta; izay hivoaka hanatona ireo Kaldeana manao fahirano anareo kosa dia ho velona ary hanana ny ainy ho babony. 10 Satria hahatonga loza, fa tsy soa amin'ity tanàna ity, no nitodihan'ny tavako azy, - teny marin'ny Tompo, - dia hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'ny Babilona izy, ka hodorany ho levona amin'ny afo. 11 Ary lazao amin'ny taranaky ny mpanjakan'i Jodà hoe: Mihainoa ny tenin'ny Tompo hianareo,

12 ry taranak'i Davida: Izao no lazain'ny Tompo: Manaova fitsarana marina, hatramin'ny maraina; afaho amin'ny tànan'ny mpampahory ny ampahorina, fandrao mipoaka hoatry ny afo ny fahatezerako, ka hirehitra tsy ho azon'olona vonoina, noho ny haratsian'ny ataonareo.

13 Ary izao kosa no momba anao, ry mponina ao an-dohasaha, ry vatolampin'ny tany lemaka, - teny marin'ny Tompo, hianao izay manao hoe: Zovy moa no hidina aty aminay, sy hiditra aty amin'ny fierenay?

14 Hanasazy anareo araka ny vokatry ny asanareo aho - teny marin'ny Tompo; handrehitra afo amin'ny alany aho, ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0995