Bokin'i Jeremia

Toko faha-22

1 Izao no lazain'ny Tompo: Midìna ho any an-tranon'ny mpanjakan'i Jodà,

2 ka lazao eny izao teny izao, ataovy hoe: Henoy ny tenin'ny Tompo, ry mpanjakan'i Jodà, izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, dia hianao sy ny mpanomponao mbamin'ny vahoakanao, izay miditra amin'ireto vavahady ireto. 3 Izao no lazain'ny Tompo: Manaova fitsarana sy fahamarinana hianareo; afaho amin'ny tànan'ny mpampahory ny ampahorina: ny vahiny, ny kamboty, amam-pitondratena; dia aza ratsy fitondra azy na manao an-keriny aminy, na mandatsa-dra tsy manan-tsiny amin'ity tany ity hianareo.

4 Raha tanterahinareo tsara izao teny izao: ny mpanjaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, hiditra amin'ny vavahadin'ity trano ity, mitaingina kalesa aman-tsoavaly dia izy, ny mpanompony amam-bahoakany.

5 Fa raha tsy mihaino izany teny izany kosa hianareo, dia mianiana amin'ny tenako aho, - teny marin'ny Tompo, fa ho rava no halehan'ity lapa ity.

6 Satria izao no lazain'ny Tompo, ny amin'ny taranaky ny mpanjakan'i Jodà: Tahaka an'i Galaada hianao amiko, tahaka ny tampon'i Libàna, nefa indro hampanjariko efitra, tanàna tsy honenana, hianao.

7 Efa manomana mpandrava hamely anao aho, ka samy mitondra ny fiasany avy izy ireo; hokapainy ny sederanao voafantina, dia hatsipiny amin'ny afo.

8 Firenena maro no handalo amin'ity tanàna ity, ka hifampilaza hoe: Nahoana no dia nataon'ny Tompo tahaka izao ity tanàna lehibe ity?

9 Ary hataon'ny olona hoe: Satria nahafoy ny faneken'ny Tompo Andriamaniny izy ireo, ka niankohoka teo anatrehan'ny andriamani-kafa sy nanompo ireny.

10 Aza itomaniana ilay maty ary aza igogogogoana izy io; fa ilay lasana no itomanio dia itomanio, fa tsy hiverina intsony izy, tsy hahita intsony ny tany nahaterahany!

11 Fa izao no lazain'ny Tompo: Ny amin'i Seloma, zanak'i Josiasa, mpanjakan'i Jodà, izay nanjaka nisolo toerana an'i Josiasa rainy, sy efa niala tamin'ity fitoerana ity: Tsy hiverina aty intsony izy,

12 fa ho faty any amin'ny tany nitondrana azy ho babo, ka tsy hahita ity tany ity intsony.

13 Loza ho an'izay manorina ny tranony tsy amin'ny rariny, sy ny rihany tsy amin'ny hitsiny; izay mampiasa maina ny namany, tsy mandoa ny karamany,

14 sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho, sy efi-trano malalaka; dia asiany varavarankely betsaka, ataony tafo sedera, ary hosorany loko mena mivaivay.

15 Noho hianao adalan-tsedra va no maha-mpanjaka anao? Moa tsy nisotro sy nihinana va ny rainao: Nanao ny hitsiny sy ny rariny izy, ary tamin'izany dia tsara ny zavatra rehetra taminy;

16 nitsara ny adin'ny ory sy ny mahantra izy, ka amin'izany tsara ny zavatra rehetra. Moa tsy izany va no fahalalana ahy, - teny marin'ny Tompo?

17 Fa ny masonao amam-ponao tsy mihevitra afa-tsy ny tenanao, mbamin'ny ra tsy manan-tsiny, handatsahana azy sy ny fampahoriana ary fanaovana an-keriny, hanatanterahana izany.

18 Noho izany, izao no lazain'ny Tompo, ny amin'i Joakima, zanak'i Josiasa, mpanjakan'i Jodà: Tsy hitomaniana izy hatao hoe: Indrisy, ry rahalahy, indrisy, ry anabavy. Tsy hitomaniana izy hatao hoe: Indrisy, Tompoko! Indrisy, ry mpanjaka!

19 Halevina toy ny fandevina ampondra izy; hotaritarihana sy hariana any ivelan'ny vavahadin'i Jerosalema.

20 Miakara any Libàna, dia miantsoa mafy; manandrata feo any Basana! Miantsoa mafy any an-tampon'i Abarima, fa torotoro avokoa ireo lehilahinao.

21 Efa niteny taminao aho, fony hianao mbola niadana, nefa hoy hianao: Tsy hihaino aho! Fanaonao hatry ny fony mbola tanora izany: tsy nihaino ny feoko hianao!

22 Fa ho entin'ny rivotra handrasany ny mpiandry anao; ary ho lasan-ko babo ny lehilahinao; ka dia hangaihay sy ho safo-kenatra hianao, noho ny haratsianao rehetra.

23 Hianao izay mitoetra any Libàna, sy manao ny akaninao any amin'ny sedera, endrey izany fitarainanao, rahefa tratry ny fanaintainana hianao, fifanintontsintonany tena toy ny an'ny vehivavy mihetsi-jaza!

24 Velona aho, - teny marin'ny Tompo: Na ho peratra eo an-tànako ankavanana aza Jekoniasa, zanak'i Joakima, mpanjakan'i Jodà; dia hombotako hiala eo izy.

25 Hatolotro eo an-tànan'ireo mitady ny ainao hianao, ho eo an-tànan'ireo mampangovitra anao eo anoloany; ho eo an-tànan'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, ho eo an-tànan'ny Kaldeana.

26 Hatsipiko hianao sy ny reninao niteraka anao, ho any an-tany hafa izay tsy nahaterahanareo; ka any hianareo no ho faty.

27 Fa ny tany hiriny hiverenana, dia tsy hiverenany.

28 Moa vilany famingavinga sy torotoro ve ity lehilahy ity, Jekoniasa, sa fanaka efa tsy misy tia intsony?... Nahoana no noroahina izy sy ny taranany, sy natsipy any an-tany tsy fantany?

29 Ry tany ô, ry tany ô, ry tany ô, henoy ny tenin'ny Tompo!

30 Izao no lazain'ny Tompo: Ity lehilahy ity dia soraty ho tsy miteraka, ho lehilahy tsy mahomby amin'ny androny! Fa amin'ny taranany tsy hisy hahavanona ny mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, hanjaka indray amin'i Jodà.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1215