Bokin'i Jeremia

Toko faha-24

1 Nampitazanin'ny Tompo aho, ka indreto aviavy roa harona voapetraka teo anoloan'ny tempolin'ny Tompo; ny nahatongavan'izany, dia taorian'ny nitondran'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, an'i Jekoniasa, zanak'i Joakima, mpanjakan'i Jodà, ny lehiben'i Jodà, ny mpandrafitra amam-panefy vy, avy ao Jerosalema ho babo any Babilona.

2 Ny iray tamin'ireo harona ireo, nisy aviavy tsara dia tsara, toy ny aviavy vokatra voalohany; ny iray kosa, nisy aviavy ratsy dia ratsy, tsy azo hanina akory noho ny haratsiany loatra. 3 Ary hoy Iaveh tamiko: Inona no hitanao, ry Jeremia? Dia hoy ny navaliko azy: Aviavy; ka ny aviavy tsara moa, tsara dia tsara; ny ratsy kosa, ratsy dia ratsy, tsy azo hanina akory noho ny haratsiany loatra. 4 Dia tonga tamiko ny tenin'ny Tompo manao hoe: 5 Izao no lazain'ny Tompo, Andriamanitr'Israely: Tahaka ny fijery an'ireto aviavy tsara ireto no ho fijeriko amim-pitiavana ny voababo amin'i Jodà, izay nalefako avy amin'ity fitoerana ity, ho any amin'ny tanin'ny Kaldeana.

6 Hitsinjo azy ireo ny masoko hanasoa azy, ka hampodiko ho amin'ity tany ity; haoriko izy, ka tsy horavako intsony; hamboleko izy, ka tsy hongotako intsony.

7 Homeko fo hahalalany ahy izy, hahafantarany fa Iaveh aho; ary ho Andriamaniny aho; ho vahoakako izy; satria hiverina amiko amin'ny fony rehetra izy.

8 Ary toy ny ataon'ny olona amin'ireo aviavy ratsy ireo, izay tsy hanina akory, noho ny haratsiany loatra, - izao no tenin'ny Tompo no hataoko amin'i Sedesiasa, mpanjakan'i Jodà, ny mpanapaka mbamin'izay sisa any Jerosalema, ireo izay mitoetra amin'ity tany ity, ary ireo monina any amin'ny tany Ejipta.

9 Hataoko zavatra mahatsiravina sy loza izy ireo, any amin'ny fanjakana rehetra amin'ny tany, ho fandatsa, ho ambentin-teny, ho fihomehezana, ho fanozonana, any amin'ny tany rehetra handroahako azy.

10 Ary ny sabatra, ny mosary, ny pesta dia hirahiko hanjo azy, mandra-paharingana azy ireo tsy ho eo amin'ny tany, izay nomeko azy sy ny razany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0375