Bokin'i Jeremia

Jeremia toko 24
Ny aviavy roa harona famantarana ny zavatra ho avy.

       1 Nampitazanin'Iaveh aho, ka indreto aviavy roa harona voapetraka teo anoloan'ny tempolin'Iaveh; ny nahatongavan'izany, dia taorian'ny nitondran'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, an'i Jekoniasa, zanak'i Joakima, mpanjakan'i Jodà, ny lehiben'i Jodà, ny mpandrafitra amam-panefy vy, avy ao Jerosalema ho babo any Babilona. 2 Ny iray tamin'ireo harona ireo, nisy aviavy tsara dia tsara, toy ny aviavy vokatra voalohany; ny iray kosa, nisy aviavy ratsy dia ratsy, tsy azo hanina akory noho ny haratsiany loatra. 3 Ary hoy Iaveh tamiko: Inona no hitanao, ry Jeremia? Dia hoy ny navaliko azy: Aviavy; ka ny aviavy tsara moa, tsara dia tsara; ny ratsy kosa, ratsy dia ratsy, tsy azo hanina akory noho ny haratsiany loatra. 4 Dia tonga tamiko ny tenin'Iaveh manao hoe:
       5 Izao no lazain'Iaveh, Andriamanitr'Israely:
Tahaka ny fijery an'ireto aviavy tsara ireto
no ho fijeriko amim-pitiavana ny voababo amin'i Jodà,
izay nalefako avy amin'ity fitoerana ity, ho any amin'ny tanin'ny Kaldeana.
       6 Hitsinjo azy ireo ny masoko hanasoa azy,
ka hampodiko ho amin'ity tany ity;
haoriko izy, ka tsy horavako intsony;
hamboleko izy, ka tsy hongotako intsony.
       7 Homeko fo hahalalany ahy izy,
hahafantarany fa Iaveh aho;
ary ho Andriamaniny aho;
ho vahoakako izy;
satria hiverina amiko amin'ny fony rehetra izy.
       8 Ary toy ny ataon'ny olona amin'ireo aviavy ratsy ireo,
izay tsy hanina akory, noho ny haratsiany loatra,
- izao no tenin'Iaveh
no hataoko amin'i Sedesiasa, mpanjakan'i Jodà,
ny mpanapaka mbamin'izay sisa any Jerosalema,
ireo izay mitoetra amin'ity tany ity,
ary ireo monina any amin'ny tany Ejipta.
       9 Hataoko zavatra mahatsiravina sy loza izy ireo,
any amin'ny fanjakana rehetra amin'ny tany,
ho fandatsa, ho ambentin-teny, ho fihomehezana, ho fanozonana,
any amin'ny tany rehetra handroahako azy.
       10 Ary ny sabatra, ny mosary, ny pesta dia hirahiko hanjo azy,
mandra-paharingana azy ireo tsy ho eo amin'ny tany,
izay nomeko azy sy ny razany.