Bokin'i Jeremia

Toko faha-26

11 Dia hoy ny mpisorona amam-paminany tamin'ireo loholona sy ny vahoaka rehetra: Mendrika hovonoina ity lehilahy ity, fa naminany loza hanjo ity tanàna ity, araka ny efa ren'ny sofinareo. 12 Fa niteny tamin'ny loholona rehetra sy ny vahoaka rehetra Jeremia nanao hoe: Iaveh no naniraka ahy haminany ny zavatra rehetra efa renareo, hamelezana ity trano ity.

13 Koa ankehitriny, ahitsio ny lalànareo sy ny ataonareo; ary mihainoa ny feon'ny Tompo Andriamanitrareo, dia hanenenan'ny Tompo ny loza nolazainy hamelezana anareo. 14 Ary ny amiko, dia inty aho, eto an-tànanareo, ka ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy marina. 15 Fantaro anefa, fa raha mamono ahy hianareo, dia handatsaka ra tsy manan-tsiny aminareo sy amin'ity tany ity, ary amin'ny mponina eo aminy, satria Iaveh marina tokoa, no naniraka ahy ho atý aminareo hilaza ireo teny rehetra ireo ho ren'ny sofinareo. 16 Dia hoy ny loholona mbamin'ny vahoaka rehetra, tamin'ireo mpisorona sy ireo mpaminany: Tsy mendrika hovonoina ity lehilahy ity, satria tamin'ny anaran'ny Tompo Andriamanitsika no nitenenany tamintsika. 24 Fa ny tànan'i Ahikama zanak'i Safana kosa dia nanohana an'i Jeremia. Ka tsy natolotry ny vahoaka hovonoin-ko faty izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1956