Bokin'i Jeremia

Toko faha-2

1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

2 Mandehana, ataovy antso avo ho ren'i Jerosalema izao teny izao: Izao no lazain'ny Tompo: Tsaroako ny firaiketam-ponao tamiko, fony hianao mbola tanora, ny fitiavanao, fony hianao vao fofom-bady; dia ilay nanarahanao ahy tany an'efitra, tany amin'ny tany tsy famafazana.

3 Fahizany Israely dia ilay zavatra voatokana ho an'ny Tompo, dia ilay voaloham-bokany, ka izay nihinana taminy, dia nahazo heloka, ka nozoin-doza, - teny marin'ny Tompo.

7 Ary tany hoatra ny saha be hazo mamoa no nitondrako anareo, mba hihinananareo ny vokany aman-java-tsoa eo aminy. Kanjo nony tafiditra hianareo nolotoinareo ny taniko, ary nataonareo ho fahavetavetana ny lovako.

8 Ny mpisorona tsy nanao hoe: Aiza Iaveh? ny mpitan-dalàna, tsy nahalala ahy: ny mpitondra, nivadika tamiko; ary ny mpaminany, maminany tamin'ny anaran'i Baala, ka nanaraka ny tsy mahasoa na inona na inona izy ireny.

12 Talanjòna amin'izany, ry lanitra, mangovita sy mangorohoroa mafy hianareo, - teny marin'ny Tompo.

13 Fa nanao ratsy roa sosona ny vahoakako: Nafoiny aho, izaho loharanon'ny rano velona, ary lavaka no nohadiny ho azy, lavaka mitriatriatra, tsy mahatan-drano.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1081