Bokin'i Jeremia

Toko faha-30

1 Izao no teny avy amin'ny Tompo, natao tamin'i Jeremia:

2 Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Soraty amin'ny boky ny teny rehetra nolazaiko taminao.

12 Fa izao no lazain'ny Tompo: Tsy azo sitranina ny ratranao, manaintaina ny ferinao;

13 tsy misy olona hisolo vava anao amin'ny adinao, mba hamehezana ny ferinao, tsy misy fanafody mahasitrana ho anao.

14 Ny lehilahinao rehetra, nanadino anao, fa tsy manan-draharaha aminao akory. Satria nasiako toy ny famely fahavalo hianao, tamin'ny famaizana lozan-tany, noho ny habetsahan'ny helokao, fa efa nitombo be ny fahotanao.

15 Nahoana no mitaraina hianao noho ny faharatranao, noho ny tsy fahazoana manasitrana ny ferinao? Noho ny habetsahan'ny helokao ihany, sy noho ny nitomboan'ny fahotanao, no nanaovako izany zavatra izany taminao.

18 Izao no lazain'ny Tompo: Indro hatsangako indray ny lain'i Jakoba, ary hamindrako fo ny fonenany; ny tanĂ na haorina indray eo amin'ny havoany; ary ny lapany hatsangana indray eo amin'ny fitoerany.

19 Hira fiderana no hivoaka avy ao, sy hobim-piravoravoana. Hahamaro azy aho, ka tsy hohavitsina intsony izy; hanome voninahitra azy aho, ka tsy hohamavoina intsony izy;

20 ho tahaka ny taloha ny zanany; hiorina mafy eo anatrehako ny fiangonany, ary hofaiziko avokoa ny mpampahory azy.

21 Ny iray amin'izy ireo ihany no ho filohany; ary ny avy ao anatiny no ho mpanapaka azy; hasaiko manatona izy, dia hanatona ahy; fa zovy moa no olona hahay manamboatra ny fony, ka mba hanatona ahy? - teny marin'ny Tompo.

22 Ary hianareo dia ho oloko, ary izaho ho Andriamanitrareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1495