Bokin'i Jeremia

Toko faha-31

31 Indro avy ny andro, - teny marin'ny Tompo, hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'Israely sy ny taranak'i Jodà:

32 ka tsy fanekena toy ny nataoko tamin'ny razany, tamin'ny andro nitantanako azy, nitondrako azy nivoaka avy any amin'ny tany Ejipta, fanekena nivadihan'izy ireo, na dia vadiny aza aho.

33 Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'Israely, rahefa afaka izany andro izany, - teny marin'ny Tompo: Hataoko ao anatiny ny lalàko, dia sady hosoratako ao am-pony; ka ho Andriamanitr'izy ireo aho, ary izy ireo ho oloko.

34 Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony, na olona hampianatra ny rahalahiny, hanao hoe: Mahalalà an'ny Tompo! Fa hahalala ahy avokoa izy rehetra, - teny marin'ny Tompo. Satria tsy hotsarovako intsony ny fahotany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1382