Bokin'i Jeremia

Jeremia toko 32
Ny fividianana ny tany tao Anatota, famantarana ny hiverenana avy any amin'ny fahababoana - Nividy tany tao Anatota Jeremia, araka ny didin'Andriamanitra - Vavaka nataon'ny mpaminany mba hahalala ny hevitr'izany famantarana izany - Ny navalin'ny Tompo azy.

       1 Teny avy amin'ny Tompo tamin'i Jeremia, tamin'ny taona fahafolo nanjakan'i Sedesiasa mpanjakan'i Jodà. Taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Nabokodonozora kosa izany. 2 Tamin'izany, ny tafiky ny mpanjakan'i Babilona, nanao fahirano an'i Jerosalema; ary Jeremia mpaminany, nafahy tao amin'ny kianjan'ny fiambenana, tao amin'ny tranon'ny mpanjakan'i Jodà. 3 Fa nasain'i Sedesiasa mpanjakan'i Jodà notànana izy, nataony hoe; Nahoana hianao no maminany manao hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Indro hatolotro ny mpanjakan'i Babilona ity tanàna ity, ka ho azony; 4 ary Sedesiasa mpanjakan'i Jodà tsy ho afaka eo an-tànan'ny Kaldeana, fa hatolotra mihitsy eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babilona, ka hiteny aminy mifanatrika, sy hifankahita maso aminy. 5 Dia hoentina any Babilona Sedesiasa, ary hitoetra any, mandra-pamangiko azy, - teny marin'ny Tompo. Raha miady amin'ny Kaldeana hianareo, tsy hahomby tsy akory.
       6 Ary hoy Jeremia: Ny tenin'ny Tompo tonga tamiko nanao hoe: 7 Indro ho avy atý aminao Hananeela zanak'i Seloma rahalahin-drainao, hanao hoe: Vidio ny sahako ao Anatota, fa manana ny rariny hanavotanao azy hianao, ka azonao vidina. 8 Dia tonga tatý amiko tokoa tao amin'ny kianja fiambenana araka ny tenin'ny Tompo, Hananeela zana-drahalahin-draiko, ka nanao tamiko hoe: Mba vidio ny sahako ao Anatota, amin'ny faritanin'i Benjamina, fa manana ny rariny handovanao sy hanavotanao azy hianao, ka mba vidio àry. Fantatro tamin'izany fa tenin'ny Tompo izany. 9 Ka novidiko tamin'i Hananeela zana-drahalahin-draiko, ilay saha ao Anatota, ary nolanjaiko ny vola ho azy, sikla volafotsy fito ambin'ny folo. 10 Dia nosoratako ny fanekena sady nasiako tombo-kase, sy nangalako vavolombelona, vao nolanjaiko tamin'ny mizàna ny vola. 11 Manaraka izany, nalaiko ny fanekem-pividianana, dia ilay anankiray efa voaisy tombo-kase, ilay misy ny famarafarana sy ny fepetra, sy ilay anankiray mivelatra koa. 12 Dia natolotro an'i Baròka, zanak'i Nerià, zanak'i Maasiasa, ny fanekem-pividianana, teo anatrehan'i Hananeela, zana-drahalahin-draiko, sy teo anatrehan'ny vavolombelona nanao sonia ny fanekem-pividianana sy teo anatrehan'ny Jody rehetra, nipetraka teo an-kianjan'ny fiambenana. 13 Ary izao no didy nomeko an'i Baròka, teo anatrehan'ireo: 14 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Raiso ireto fanekena ireto, dia ity fanekem-pividianana voaisy tombo-kase, sy ity fanekena mivelatra koa, ka ataovy ao anaty siny tany mba haharitra ela. 15 Fa izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Mbola hividy trano sy saha ary tanim-boaloboka amin'ity tany ity ny olona.
       16 Nony voatolotro an'i Baròka zanak'i Nerià ny fanekem-pividianana, dia izao no vavaka nataoko tamin'ny Tompo:
       17 Eny iky, ry Iaveh Tompo ô,
hianao no nanao ny lanitra sy ny tany,
tamin'ny hery lehibe sy ny sandrinao nahinjitra,
tsy misy zavatra tsy hainao atao.
       18 hianao no mamindra fo amin'ny arivony
sy mamaly ny heloky ny ray,
eo an-kibon'ny zaza mandimby azy,
hianao no Andriamanitra lehibe sy mahery,
izay manana anarana hoe: Iavehn'ny tafika,
       19 lehibe amin'ny fisainana sy mahery amin'ny asa;
ny masonao ajerinao
ny làlan'ny taranak'i Adama rehetra,
mba hamalianao azy, araka ny làlany avy,
sy araka ny vokatry ny asany avy.
       20 Hianao no nanao famantarana amam-pahagagana
tany amin'ny tany Ejipta ka mandrak'androany,
eo amin'Israely sy eo amin'ny olona,
ka nampahalaza ny anaranao, araka izao hitanay anio izao.
       21 hianao no nanatsoaka an'Israely olonao, tany amin'ny tany Ejipta,
tamin'ny famantarana amam-pahagagana,
tamin'ny tànanao mahery aman-tsandry nahinjitra,
ary tamin'ny fandatsahana fampahatahorana lehibe;
       22 ka nanome azy ireo ity tany ity,
izay efa nianiananao tamin'ny razany homena azy,
tany tondra-dronono aman-tantely.
       23 Dia tonga teto izy ireo, ka nandray azy ho zakainy;
kanefa tsy nihaino ny feonao izy,
na nandeha araka ny lalànao;
ary izay rehetra nandidianao azy hataony, dia tsy nataony,
ka nentinao hanjo azy izao loza rehetra izao.
       24 Indro ny tovontany hanafahana ny tanàna, efa mahatakatra azy,
ary ny tanàna efa hatolotra
eo an-tànan'ny Kaldeana izay mamely azy,
amin'ny sabatra, ny mosary sy ny pesta;
dia tanteraka izay nolazainao, ka mahita izany hianao.
       25 Ary hianao, ry Iaveh Tompo ô, nanao tamiko hoe:
Vidio vola io saha io ho anao,
ka asio vavolombelona;
ary ny tanàna ity voatolotra eo an-tànan'ny Kaldeana!...
       26 Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'ny Tompo nanao hoe:
       27 Izaho no Iaveh Andriamanitry ny nofo rehetra;
moa amiko va hisy zavatra tsy azo atao?
       28 Koa izao no lazain'ny Tompo:
Indro ity tanàna ity, hatolotro eo an-tanan-ny Kaldeana,
sy eo an-tanan'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, ka ho azony.
       29 Hiditra amin'ity tanàna ity ny Kaldeana izay mamely azy ;
dia handrehitra ity tanàna ity izy, dia handoro azy
mbamin'ny trano nanaterana emboka manitra
ho an'i Baala teo ambonin'ny tafony,
sy nandrarahany fanatitra araraka ho an'andriamani-kafa,
mba hampahatezitra ahy.
       30 Satria ny zanak'Israely aman-janak'i Jodà,
tsy nanao afa-tsy izay ratsy teo imasoko, hatramin'ny fahatanorany;
ary ny zanak'Israely tsy nanao afa-tsy izay hampahatezitra ahy
tamin'ny asan'ny tànany, - teny marin'ny Tompo.
       31 Fa ity tanàna ity tsy nanao afa-tsy izay hampirehitra ny hatezerako amam-pahavinirako,
hatramin'ny andro nanorenany azy ka mandrak'androany,
mba hanesorako azy tsy ho eo anatrehako;
       32 noho ny ratsy rehetra nataon'ny zanak'Israely sy ny zanak'i Jodà mba hampahatezitra ahy,
dia izy ireo, ny mpanjakany, ny mpanapaka azy, ny mpisorony amam-paminaniny,
ny lehilahy amin'i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema.
       33 Ny lamosiny no natodiny ahy, fa tsy ny tavany;
ary nony mba nampianatra azy aho, nampianatra azy hatramin'ny vao maraina,
dia tsy nihaino izy, mba hahazoany ny fampianarana.
       34 Ary nametraka ireo fahavetavetany tao an-trano
fiantsoana ny anarako, handotoany azy.
       35 Nanorina ny fitoerana avon'i Baala
tao an-dohasahan'ny taranak'i Hinnoma izy,
ka mandeha amin'ny afo ny zanany lahy aman-janany vavy ho an'i Molòka:
nefa zavatra tsy nandidiako azy akory izany
na zavatra mby tao an-tsaiko velively;
nanao izany fahavetavetana izany izy
hampanota an'i Jodà.
       36 Koa ankehitriny, izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely
ny amin'ity tanàna lazainareo hoe:
hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babilona,
amin'ny sabatra, ny mosary, ny pesta, izy:
       37 Indro hangoniko izy ireo avy any amin'ny tany rehetra
nandroahako azy
azon'ny hatezerako amam-pahavinirako
sy fisafoahako mafy;
haveriko amin'ity fitoerana ity indray izy,
ary hataoko mandry fahizay eto.
       38 Izy ireo dia ho oloko;
ary izaho ho Andriamaniny.
       39 Homeko fo iray izy
ary hampombaiko lalana iray
mba hatahorany ahy mandrakariva,
hiadanan'izy mbamin'ny taranany mandimby azy.
       40 Hanao fanekena mandrakizay aminy aho,
mba tsy hihatahako aminy
tsy manao soa aminy intsony,
ary halatsako ao am-pony ny fahatahorana ahy,
mba tsy hihatahany amiko.
       41 Hataoko fifaliana ho ahy ny manao soa aminy,
ka hamboleko marina tokoa amin'ity tany ity izy ireo,
amin'ny foko rehetra sy amin'ny fanahiko rehetra.
       42 Satria izao no lazain'ny Tompo:
Toy ny nitondrako ireo loza lehibe rehetra ireo,
hanjo ity vahoaka ity,
no hampidirako amin'izy ireo koa
ny soa rehetra lazaiko momba azy.
       43 Mbola hividy saha amin'ity tany ity ny olona,
izay lazainareo hoe: tany lao
tsy misy olona na biby intsony,
efa natolotra eo an-tanan'ny Kaldeana.
       44 Hovidin'ny olona vola ny saha
dia hanaovana fanekena izany, hasiana tombo-kase sy hangalana vavolombelona
eo amin'ny tanin'i Benjamina,
sy eo amin'ny manodidina an'i Jerosalema sy eo amin'ny tanànan'i Jodà,
eo amin'ny tanànan'ny tendrombohitra sy ny tanànan'ny Sefelah,
ary amin'ny tanànan'ny negeba;
satria hampodiko ireo lasan-ko babo,
- teny marin'ny Tompo.