Bokin'i Jeremia

Toko faha-35

1 Ny teny avy amin'ny Tompo tonga tamin'i Jeremia, tamin'ny andron'i Joakima mpanjakan'i Jodà, nanao hoe:

2 Mandehana hianao mankany amin'ny fianakavian'ny Rekabita, ka mitenena aminy. Ento ho ao an-tranon'ny Tompo amin'ny efitrano anankiray izy ireo, ka tolory divay hosotroiny.

3 Koa dia nalaiko Jezoniasa, zanak'i Jeremia, zanak'i Habsaniasa, mbamin'ireo rahalahiny sy ireo zanany rehetra ary ny fianakavian'ny Rekabita rehetra;

4 ka nampidiriko tao an-tranon'ny Tompo, tamin'ny efi-tranon'i Hanana, zanak'i Jegdeliasa, olon'Andriamantra, anilan'ny efitranon'ireo loholona sy ao ambonin'ny efitranon'i Maasiasa, zanak'i Seloma mpiandry varavarana. 5 Narosoko teo anoloan'ny zanaky ny fianakavian'ny Rekabita siny feno divay mbamin'ny kapoaka, dia hoy aho taminy: Misotroa divay hianareo. 6 Fa hoy kosa izy ireo: Tsy mba misotro divay izahay; satria izao no didy napetrak'i Jonadaba, zana-dRekaba, razanay, taminay: Aza misy misotro divay, na hianareo na ny zanakareo mandrakizay. 7 ary aza manorina trano, na mamafy voan-javatra, na mamboly voaloboka, na manana izany akory; fa aoka hitoetra an-day amin'ny andro rehetra iainanareo, mba ho velona mandritra ny andro maro amin'ny tany izay ipetrahanareo toy ny vahiny hianareo. 8 Koa notandremanay ny tenin'i Jonadaba, zana-dRekaba, razanay, tamin'ny zavatra rehetra nandidiany anay, ka dia tsy misotro divay na oviana na oviana, na ny tenanay, na ny vadinay, na ny zanakay lahy, na ny zanakay vavy; 9 tsy manao trano hitoerany izahay; tsy manam-tanim-boaloboka, na saha, na tany voafafy, izahay; 10 ary mitoetra an-day izahay; manaiky izahay, ary ny ataonay rehetra dia araka izay nandidian'i Jonadaba, razanay, anay. 11 Nony avy izay nanafihan'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona an'izao tany izao, dia hoy izahay: Andeha isika hialoka any Jerosalema, eo anatrehan'ny tafiky ny Kaldeana sy ny tafik'i Siria, ka dia nitoetra teto Jerosalema izahay. 12 Dia tonga tamin'i Jeremia ny teny avy amin'ny Tompo, nanao hoe: 13 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Mandehana hianao milaza amin'ny olona any Jodà, sy amin'ny mponina ao Jerosalema hoe: Tsy mba hety handray fampianarana amin'ny fihainoana ny teniko va hianareo? - teny marin'ny Tompo. 14 Voatandrina ny tenin'i Jonadaba zana-dRekaba; norarany tsy hisotro divay ny zanany, dia tsy nisotro izy ireo, noho ny fanekeny ny didin-drainy, mandrak'androany; ary izaho niteny taminareo koa, nefa tsy nihaino ahy hianareo! 15 Nirahako tany aminareo ny mpaminany rehetra, mpanompoko, sady nirahako hatramin'ny vao maraina, hilaza aminareo hoe: Samia miala amin'ny làlan-dratsinareo avy hianareo; hatsarao ny fitondran-tenanareo; aza mandeha manaraka andriamani-kafa mba hanompo azy; dia honina amin'ny tany nomeko anareo, dia ny tenanareo sy ny razanareo; aza mandeha manaraka andriamani-kafa mba hanompo azy; dia honina amin'ny tany nomeko anareo, dia ny tenanareo sy ny razanareo, hianareo; kanefa tsy nanongilan-tsofina hianareo, na nihaino ahy akory. 16 Eny, ny taranak'i Jonadaba, zana-dRekaba, nitandrina ny didy napetraky ny razany taminy; fa ity vahoaka ity kosa, tsy mba mihaino ahy! 17 Noho izany, izao no lazain'ny Tompo, Andriamanitry ny tafika, Andriamanitr'Israely: Indro hataoko mihatra amin'i Jodà sy amin'ny mponina rehetra ao Jerosalema, ny loza rehetra voalazako ny amin'izy ireo; satria niteny tamin'izy ireo aho, fa tsy nohenoiny; ary niantso azy aho, fa tsy novaliany. 18 Ary hoy Jeremia tamin'ny fianakavian'ny Rekabita: Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Noho hianareo nanaiky ny didin'i Jonadaba razanareo, sy nitandrina ny didiny rehetra, ary nanatanteraka izay rehetra nasainy nataonareo,

19 noho izany dia izao no lazain'ny Tompon'ny tafika Andriamanitr'Israely: Na oviana na oviana tsy ho lany zanakalahy hitsangana eo anatrehako i Jonadaba, zana-dRekaba.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1281