Bokin'i Jeremia

Toko faha-38

4 Dia hoy ny lehibe tamin'ny mpanjaka: Aoka hovonoina io lehilahy io! Fa mampiraviravy tànana ny lehilahy mpiady sisa eto an-tanàna mbamin'ny vahoaka rehetra izy, amin'ny fanaovana teny toy izany aminy. Fa tsy mba mitady izay hahasoa ity vahoaka ity io lehilahy io, fa izay hampidi-doza aminy ihany.

5 Ka hoy Sedesiasa mpanjaka: Anananareo fahefana izy, fa ny mpanjaka tsy mahefa na inona na inona hisakana anareo. 6 Dia noraisin'izy ireo Jeremia, ka nampidininy tao an-davak'i Melkiasa, zanak'andriana, ao an-kianjan'ny fiambenana; mahazaka no nampidinana an'i Jeremia tao an-davaka izay tsy nisy rano, fa fotaka ihany, ka nilentika tanaty fotaka Jeremia.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0553