Bokin'i Jeremia

Toko faha-38

4 Dia hoy ny lehibe tamin'ny mpanjaka: Aoka hovonoina io lehilahy io! Fa mampiraviravy tànana ny lehilahy mpiady sisa eto an-tanàna mbamin'ny vahoaka rehetra izy, amin'ny fanaovana teny toy izany aminy. Fa tsy mba mitady izay hahasoa ity vahoaka ity io lehilahy io, fa izay hampidi-doza aminy ihany.

5 Ka hoy Sedesiasa mpanjaka: Anananareo fahefana izy, fa ny mpanjaka tsy mahefa na inona na inona hisakana anareo. 6 Dia noraisin'izy ireo Jeremia, ka nampidininy tao an-davak'i Melkiasa, zanak'andriana, ao an-kianjan'ny fiambenana; mahazaka no nampidinana an'i Jeremia tao an-davaka izay tsy nisy rano, fa fotaka ihany, ka nilentika tanaty fotaka Jeremia. 8 dia nivoaka avy tao an-tranon'ny mpanjaka Abdemeleka, ka niteny tamin'ny mpanjaka nanao hoe: 9 Ry mpanjaka tompoko ô, ratsy izany nataon'ireo olona ireo tamin'ny nitondrany toy izany an'i Jeremia mpaminany, fa nampidininy ao an-davaka izy; ho faty mosary ao ihany izy, satria tsy misy mofo intsony eto an-tanàna. 10 Dia nanome teny an'i Abdemeleka etiopiana ny mpanjaka nanao hoe: Mangalà olona telopolo lahy etoana, hiaraka aminao, ka ampakaro i Jeremia mpaminany avy ao an-davaka dieny mbola tsy maty izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0488